Politique

Marc Ravalomanana “Aza matahotra, minoa fotsiny ihany !”


  • Talata 27 Desambra 2011

Nitafa mivantana tamin´ny vahoakan´i Toamasina Atoa Ravalomanana ny sabotsy teo. Nambarany nandritra izany fa “misy fotoany ny zava-drehetra, fikasana ny antsika olombelona fa fandaharana an´Andriamanitra.

 Na nikasa ny hanao krismasy aty an-tanindrazana aza izahay mianakavy, miaraka amin´ny Malagasy rehetra, dia tsy tanteraka izany”. Nolazainy kosa anefa fa “tsy ho ela fiverenanay eto Madagasikara. Tsy misy hahasakana izany intsony, satria tsy nanao ratsy ho an´ny fireneko aho ary vonona mandrakariva ny hampandroso sy hamaha ny olana sedrain´ny Malagasy noho ny fahantrana nateraky ny fanovana tamin´ny ratsy nentin´ny olom-bitsy vokatra ny fitiavan-tena sy fiarovana tombontsoana vahiny”.

Nankahery ny Malagasy rehetra ihany koa Atoa Ravalomanana, izay nilaza fa “fantatro ny fahorian´ny Malagasy na aty lavitra aty aza aho, haiko tsara ny hetahetan´ny Malagasy mba te hanao fety sambatra sy hamalifaly ny zanany, nefa tsy afa-manao noho ny tsy fisian´ny eo an-tanana. Aza matahotra, minoa fotsiny ihany, ho avy izahay hanala ny Malagasy ao anatin´ny fahoriana sy ny fahantrana lalina, tahaka ny efa nataontsika hatramin´izay”. Ankoatra izay, hentitra Atoa Ravalomanana nilaza fa “tsy misy hahasakana ahy tsy hiverina an-tanindrazako, na vahiny io na teratany Malagasy mifandray tendro aminy, ka mamorona izao karazana sazy sy fepetra hanakanana ahy sy ny fianakaviako ary ny olona miaraka amiko aty izao”. “Tsy maintsy ho tonga ao Antananarivo aho tsy ho ela, ka tongava maro mitsena ahy fa ataontsika ho hitan´izao tontolo izao ny fahavononan´ny Malagasy te hiala ao anatin´ny fanagejana sy fanjanahana ara-tsaina azy”, hoy izy namarana ny teniny sy ny hafatra ho an´ny vahoaka Malagasy ny sabotsy tolakandro teo tao Toamasina.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT