Politique

Marc Ravalomanana «Aza manonofy fankatoavana iraisam-pirenena raha tsy tafaverina izahay»


  • Alatsinainy 12 Desambra 2011

Marihina amin’ity 12 desambra anio ity ny faha-62 taonan’i Marc Ravalomanana. Fotoan-dehibe izany ho an’ireo mpanara-dia azy sy ho an’ny tenany indrindra indrindra.

Faniriany ny hankalaza izany miaraka amin’ireo mpiray tanindrazana aminy saingy misy fotoanany ny zavatra rehetra, araka ny nambarany raha nandaha-teny tamin’ny alalan’ny antso an-tariby teny amin’ny kianjan’i Magro izy ny sabotsy 10 desambra teo. Nambarany fa tsy takona afenina ary mahamenatra toy ny vay an-kandrina ny fahasahiranan’ny vahoaka Malagasy vokatry ny olana ara-politika nahazo ny firenena tato anatin’ny telo taona. Miezaka mamaha ny olana avokoa izao tontolo izao. Anisan’izany ny fivorian’ny filankevitra misahana ny filaminana sy ny fandriampahelamana na ny CPS eo anivon’ny Vondrona Afrikanina any Addis Abeba izay faratampony amin’ny fanapahan-kevitra amin’ny raharaha aty Afrika. Raha ny fanambarana nataon’ity filankevitra ity dia manaiky sy manohana ny vondrona SADC sy ny Troika izany amin’ny fanohizana ny fandaminana.

Mampirisika ny Vaomieran’ny Vondrona afrikanina sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena hiara-miasa amin’ny SADC sy ny Troika. Ankoatra izay dia miantso ny Malagasy hametraka ny tombontsoam-pirenena sy ny fitiavan-tanindrazana ny CPS mba ho lohalaharana. Toromarika nomen’ny CPS moa ny fanatanterahana ny sori-dalana amin’ny antsipiriany. Araka ny fanazavan’ny filoha Marc Ravalomanana dia anisan’ny zavatra tadiavina amin’izao ny fankatoavana iraisam-pirenena sy ny fanampiana ara-bola sy ara-teknika hamitana ny tetezamita. Ny andininy faha-7 amin’ilay fanapahan-kevitry ny CPS anefa, hoy izy dia mamaritra fa tsy hahazo izany fankatoavana izany mihitsy i Madagasikara raha tsy tafody ireo sesitany politika rehetra, anisany ny tenany. “Aza manonofy ny hahazo fankatoavana iraisam-pirenena izany raha tsy tafaverina any Madagasikara aho !

Tsy misy lalana raha tsy mamela an’i Dada mody !”, hoy i Marc Ravalomanana nanoloana ireo mpandala ny ara-dalàna miara-dia aminy. “Raha vao tonga any Madagasikara aho dia azontsika ny fankatoavana iraisam-pirenena”, hoy ihany izy nanohy. Nambarany fa efa nalaina ka nentina avokoa ireo mpiara-dia aminy teo aloha toa an’ingahy Raharinaivo na koa ny an’i Yves Aimé Rakotoarisoa saingy tsy nahazoana fankatoavana. “Tiako ny hahazoan’ny firenena ny fankatoavana satria mahasoa ny Malagasy saingy izao, avelao aho hody”, hoy ihany i Marc Ravalomanana izay nilaza fa ny tombontsoam-bahoaka no laharam-pahamehana ho azy. Hitondra filaminana sy fandriampahalemana aho fa tsy korontana, hoy ihany izy. Porofon’izany, hoy izy ny nilazako fa tsy handray anjara amin’io tetezamita io aho. Tsy mila seza aho, hoy ihany i Marc Ravalomanana. Nohamafisiny hatrany fa tsy tokony hieritreritra fankatoavana raha tsy tafaverina ny tenany. Nanome toky moa izy fa tsy maintsy ho avy izay fotoana hahatongavany eto an-tanindrazana izay ary tsy maintsy ho eny amin’ny kianjan’ny Finoana ny tenany hihaona sy hiresaka amin’ireo mpiara-dia aminy.

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT