Na betsaka aza ny tsaho aely fa tsy misy intsony ny hetsiky ny Magro Toamasina, dia nilaza ny mpiara-dia amin’ny Rodobe Toamasina fa misy hatrany izany.
“Raha tsy tafaverina an-tanindrazana ny filoha Ravalomanana, tsy mivoaka ny gadra politika ary tsy malalaka ny fanehoan-kevitra, dia mitohy hatrany ny hetsika atao eto an-tokotanin´ny Magro Tanambao V”, hoy ireo mpitarika. Nisy, araka izany, ny hetsika ny sabotsy tolakandro teo. Nandritra izany dia nitafa mivantana tamin´ny vahoakan´i Toamasina Atoa Marc Ravalomanana. “Aza matahotra intsony ianareo, efa tsy ho ela ny fiaviako sy ny fiverenako aty Madagasikara. Efa eo am-pandaminana farany ny fombafomba sy ny fiverenanay izahay mianakavy sy ireo mpiara-dia amiko aty amin´izao fotoana izao”, hoy izy.
Tsy nanadino ny nirary soa ny vahoaka Malagasy noho ny fahatrarana ny taona vaovao ny tenany, na tao anatin´ny fahantrana sy ny fahoriana ary fijaliana aza no nidirana sy ny nitsenana ny taona 2012. Ho an´ireo mpitarika ny hetsiky ny Magro, na efa mpikamban´ny CT sy ny CST aza, dia nilaza mazava fa “na hipoaka aza ny tafondro, na hirefodrefotra aza ny basy, na miverina aza ny sinema na baomba fopla sy fanasoketana, dia tsy maintsy miverina eto ny filoha Ravalomanana sy ny fianakaviany ary ireo olona voatery niala ny fireneny noho ny fanenjehana ara-politika”. Nambaran´izy ireo hatrany fa “hafa kely izao fitondrana FAT izao. Raha baomba tsy fanta-tompo no hita etsy sy eroa, avy hatrany dia fantatra izay samborina sy ny mpanao azy fa raha satroboninahitra mpanjaka nanamarika ny tantaran´i Madagasikara no very, tsy hita ireo milaza azy ho ‘professionnel’”. Ankoatra izay, nambaran´ireo mpitarika ny Magro Toamasina izay voatendry ho CT sy CST, fa tsy hiditra velively eo anivon´ny CENI sy ny CNR izany ny ankolafy Ravalomanana, raha tsy tafody eto ny filoha Ravalomanana, tafavoaka ny gadra politika ary malalaka ny filazam-baovao amin´ny alalan’ny fanokafana ireo haino aman-jery nakaton’ny FAT.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.