Politique

Marc Ravalomanana “Atahorana hiverina ny krizy”


  • Alatsinainy 14 Aogositra 2017

Tsy navelan’ny fitondram-panjakana hankalaza ny faha-15 taonany indray tamin’ny alalan’ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille ny antoko Tiako I Madagasikara ny sabotsy teo.

Feno mpitandro ny filaminana avy amin’ny Emmoreg faritra atsinanana ny lalana mivoaka sy miditra rehetra tao amin’ny Magro Tanambao V ny sabotsy vao maraina. Efa nasiana mpitandro ny filaminana miandry fotsiny ihany koa tao anaty fiara ny tao Ambodisoanambo Anjoma misy ny foiben’ny TIM Toamasina.

 

Baikon’ny praiminisitra

 

“Ny baiko azonay dia tsy misy olon’ny TIM afaka miditra ny faritry ny Magro Tanambao V. Andraikitray amin’ny maha mpitandro ny filaminana anay ny manatanteraka izany satria raha ny taratasy azonay dia tsy nahazo alalana ara-dalàna ny TIM hanao ny hetsika”, hoy ny lehibe mitarika ny Emmo-Reg. Fantatra moa avy eo fa baiko mivantana avy any amin’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly no azon’ireto mpitandro filaminana tsy namela ny TIM hiditra tao amin’ny Magro ireto. Dia tena mahagaga ny zavatra tahaka izao ,hoy Atoa Marc Ravalomanana raha niresaka tamin’ny mpanao gazety tao Toamasina izy; fankalazana tsingerintaona ao amin’ny trano sy tanin’ny Magro izay fananako manokana ve dia andrarana ahy sy ny mpiara-dia amiko, izany ve no tany tan-dalàna hoy izy.Raha hiditra ao an-tranoko koa ary ve aho dia tsy maintsy hangataka alalana amin’ny prefe, hoy hatrany ny filoha nasionalin’ny TIM nanohy ny fanazavany. Efa miaiky ireo masoivohona firenena vahiny eto amintsika fa hafakely ny eto Madagasikara fa ahitana zavatra tsy fahita maneran-tany. Mampanontany tena ny resaka fampihavanam-pirenena raha izao fandehan-javatra izao, hoy i Marc Ravalomanana hoe tena hatao marina ve ilay izy sa mba fialana “zigla” sy fampandriana adrisa fotsiny ? Efa nisy ilay fampihavanam-pirenena notarihan’ny FFKM fa mba aiza moa izao no tohiny ? Raha nisy olona tena tsy nifankahazo teto Madagasikara dia izaho Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina izay naka an-keriny ny fahefana tamin’ny 2009, saingy efa miresaka tsara izahay ka tsy misy ny olana hanohizana ny fampihavanana raha tena fampihavanana amin-kitsi-po marina no atao,hoy izy. Na teo aza moa ny sakana dia nisy ny fihaonana manokana nataon’Atoa Ravalomanana tamin’ireo mpanara-dia azy tao amin’ny efitranom-pilanonan’ny sekoly David Jones, nandritra izany no nanipazany hafatra tamin’ireo mpikatroka TIM, fa “mila miray hina tsara isika, mila mifandefitra ihany koa, ary mila mahay memetraka tsara ny fihavanana, satria afaka miara-miasa amin’ny fikambanana na antoko mitovy hevitra amintsika isika, saingy tsy ao anatin’ny fombantsika ny fanonganam-panjakana sy fidinana an-dalam-be hisian’ny korontana”.

 

Atahorana hiverina ny krizy

Fa ankoatr’izay dia nambaran’i Marc Ravalomanana tany Toamasina fa nanelanelana ny amin’ny tokony hihaonany amin’ny filoha Rajaonarimampianina ilay delegasionina avy amin’ny governemanta Afrikanina tatsimo nihaona taminy teny Faravohitra. Nisy ny fotoana nifanarahana hanaovana izany, ary izaho dia olon’ny fifampiresahana sy ny fifanakalozan-kevitra, hoy izy saingy izao anefa ny zava-mitranga ka asa hoe hanao ahoana ny mety ho tohin’io fihaonana io.Marefo dia marefo ny lafiny toekarena sy sosialy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao hoy i Marc Ravalomanana ary raha tsy mitandrina ny fitondrana dia hiverina eto ny krizy.Ny TIM manokana hoy izy dia afaka miresaka sy miaraka amina fikambanana na vondrona politika izay mitovy fomba fijery sy tanjona aminy; nomarihany kosa anefa fa manaja lalàna izy sy ny Tiako i Madagasikara saingy rehefa sosotra sy tezitra  noho ny faneriterena sy ny fahasahiranana mahazo azy ny olona dia tsy ho voafehiko, hoy i Marc Ravalomanana.

Rakoutou sy RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT