Mbola tena atokisan’ny mpiara-miasa sy ireo mpamatsy vola i Marc Ravalomanana ary mazoto hatrany izy ireo ny hiara-kiasa aminy.
Izay no azo amintinana ny dian’ity filoha teo aloha ity any Etazonia amin’izao fotoana ; nisy ny fihaonany tamin’ireo filoha fefitry ny Banky Iraisam-pirenena tany Washington DC ny faran’ny herinandro teo, tsy iza moa izany fa Atoa isany Makhtar Diop filoha lefitry ny banky iraisam-pirenena miandraikitra an’i Afrika sy Hafez Ghanem misahana kosa an’i Moyen orient sy i Afrika avaratra .Ity farany moa dia efa solotenan’ny Banky iraisam-pirenena teto Madagasikara tamin’ny nitondran’ny filoha Ratsiraka (1997-2001) ary mahafantatra tsara an’i Marc Ravalomanana izay ben’ny tanàna tamin’izany fotoana ary efa niara-niasa akaiky tamin’ny Banky Iraisam-pirenena.Fantatra fa hivory aty Madagasikara, any Nosy Be amin’ny faran’ity volana janoary ity ny Banky Iraisampirenena sampana Afrika.Nisy ary misy hatrany ny fifandraisana sy ny fifampatokisana eo amin’i Dada sy ireo mpamatsy vola ary maro be ny zavatra azo tanterahana, tsy adinony moa amin’izao diany any amin-dry be kintana izao ny mitady lalam-bola hanampiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra izay, herintaona izay tsy mbola nomen’ny fanjakana ilay anjara tetibola fanampiana azy amin’ny maha renivohitr’i Madagasikara azy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.