Politique

Marc Ravalomanana « Antsika ny îles éparses »


  • Zoma 08 Janoary 2016

Tonga nanao veloma ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana teny amin’ny trano fonenany teny Faravohitra omaly ny masoivohon’i Afrika atsimo eto amintsika Atoa Gert Johannes Grobler.

 

 Nifarana tokoa mantsy ny fotoam-piasany ka tsy maintsy handao an’i Madagasikara izy. Mifankafantatra tsara ny roa tonta, i Marc Ravalomanana rahateo nipetraka 4 taona tany Afrika atsimo fony izy sesitany. Nifampirary soa ny roa tonta. Fa nandritra io fotoana omaly io no nanararaotra niresaka tamin’ny mpanao gazety ary nirary soa ny vahoaka Malagasy mba ho ambinin-java-mahasoa amin’ity taona 2016 ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nilaza ny heviny momba ny raharaham-pirenena ihany koa izy ary tena nahitsy fitenenana ka nanambara fa tsy mbola nahita fifidianana kitoatoa tahaka ny fifidianana loholona natao ny 29 desambra 2015 lasa teo. Mibaribary ny hosoka sy ny halatra ary tena hita porofo amin’ireo bileta tokana nampiasaina izany, hoy izy. Tsy voahaja ny tany tan-dalàna sy ny tsiambaratelon’ny latsabato hoy i Marc Ravalomanana. Tsy nampoiziko hoe ho tahaka izao ny fifidianana loholona ary tena manala baraka antsika. Momba ny fitakiana ny famerenana ny « îles éparses » indray dia tsotra sady mazava ny heviny : tanintsika ireo ary manohana 100% ny famerenana azy amin’i Madagasikara aho, hoy izy. Tahaka ny tanin’ny Tiko eny Andohatapenaka bodoina ihany io, hoy i Dada. Mijoro aho ary hijoro hatramin’ny farany fa tsy hanaiky mora foana. Mazava izany ny resaka eto fa anisan’ireo mitaky ny hamerenan’ny Frantsay amin’ny Malagasy ny fitantanana ny « îles éparses » ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana satria fananan’ny Malagasy ireo, fanambarana izay mety hanelingelina ny olona sasany. Nilaza koa moa ity filoha teo aloha ity fa anisan’ireo vahiny voaasa hanatrika ny lanonana eny Iavoloha anio ary ho avy eny.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT