Ny hazo avo halan-drivotra ! Izay no mahafintina ny antsojay atao amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Manao angaredona mihitsy ny mpitondra sy ireo mpomba azy, eny hatramin’ny gazety sy haino aman-jerin’ny mpitondra,
handotoana, hanenjehana eny hamendrofendroana mihitsy. Mihamafy ny fanenjehana arakaraka ny irosoana mankany amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy. Vao niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera sy notaterin’ny gazety mpivoaka isan’andro teto an-drenivohitra aza moa fa anisan’ireo mpanao politika enina any Afrika, voatsonga hisafidianana izay hisalotra ny anaramboninahitra “Olon’i Afrika 2017” Atoa Marc Ravalomanana, dia totoafo ny fanenjehana, ary tsy mandry andro aman’alina mihitsy mitady hirika hanao izay hanilihana an’ity filoha mpanorina ny orinasa TIKO ity tsy ho afaka hirotsaka hofidiana amin’ny 2018 ny HVM sy ny forongony. Ny gazetin’ny mpitondra aza moa, efa naka ny toeran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), ka tsy nihambahamba nanao lohateny lehibe fa dia “disqualifié” na voailika alohan’ny fotoana i Marc Ravalomanana. Ny minisitry ny serasera Rahajason Harry Laurent moa dia toa tsy manan-kambara raha tsy ny hanenjika an’i Marc Ravalomanana. Ny filohan’ny Antenimierandoholona sady filohan’ny antoko HVM Rivo Rakotovao etsy an-kilan’izay manao litania ny andininy faha-15 amin’ny lalàmpanorenena isaky ny mahita hirika hitenenana, milaza fa mahazo mirotsaka hofidiana avokoa ny olom-pirenena rehetra, rehefa manaja ny voalazan’ny lalàna. Fohazina ampitenenina hatramin-dry Voninahitsy Jean Eugène handoto sy hanenjika an’i Marc Ravalomanana, ho olo-meloka. Tsy matoky ny tanjany sy ny heriny ara-politika ve ny HVM no mikiry hanao izay hanilihana an’i Marc Ravalomanana amin’ny fomba rehetra ? Roa mantsy hatreto no kandida matanjaka adverseran’ny kandidan’ny HVM amin’ny fifidianana filoham-pirenena 2018 ho avy io, dia ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina. Ny fanilihana an’i Marc Ravalomanana ve no heverin’ny HVM fa hanamora ny asany mba hahatafaverina azy eo amin’ny fitondrana, sa kosa fanomezana herizika an’i Andry Rajoelina ? Ity farany izay re fa miomana fatratra ny hiantsetra ara-politika amin’izay rehefa nangina tsy nitakosonkosona taorian’ny 24 janoary 2014 nanolorany teny Iavoloha ilay fanalahidy goavana, mariky ny famindram-pahefana tamin’i Hery Rajaonarimampianina. Ny fianakaviambe iraisam-pirenena, izay manao tantsoroka ara-teknika sy ara-bola ny fanomanana sy fanatanterahana ny fifidianana, ary manaraka akaiky ny toe-draharaha, eo anetrahan’izany rehetra izany dia manery ny hisian’ny fifidianana mangarahara, tsy misy fanilikilihana ary eken’ny rehetra. Ny filoha Ravalomanana moa taorian’ny nanamafisany ampahibemaso, ny 12 desambra 2017, nankalazany ny tsingerintaona nahaterahany fa hitondra fanantenana ho an’ny Malagasy izy, ary vonona hiroso amin’ny lalina kokoa, dia miomana hanohy ny fitetezam-paritra manentana ny mpiara-dia aminy hivononana amin’ny fifidianana ho avy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.