Politique

Marc Ravalomanana Amoronana dosie maloto…


  • Sabotsy 02 Septambra 2017

Miha miakatra ihany ny maripana eo amin’ny tontolo politika eto amin’ny firenena. Atomotra tokoa ny fifidianana, ka samy manao ny paikadiny avy saingy ao ny manao kilalao madio fa misy kosa ny manao adin’ny kanosa sy mitady fomba maloto sy mamohehitra hoenti-mandresy.

Kandida efa nanambara ny ho firotsahany I Marc Ravalomanana, saingy niaraha-nahita ny antsojay politika natao sy mety mbola hatao aminy. Nosakanana ny famoriam-bahoaka tamina toerana mifefy satria nambara hitarika korontana sy hanongam-panjakana I Marc Ravalomanana. Vao mainka nampitombo ny mpanaraka ireny, ka romotra ny mpifanandrina. Na aiza na aiza alehany, dia rakotra vohoaka tena manohana amin’ny fo sy amin’ny alalan’ny foto-kevitra fa tsy vidiam-bola tahaka ny ataon’ny hafa. Voizina indray ankehitriny, indrindra fa taorian’ny nitsanganan’ny Filan-kevitry ny Fampihavanana Malagasy (CFM) ny hoe fananan’I Marc Ravalomanana dosie maloto sy olana ara-pitsarana. Hankalazaina fatratra fa tsy tokony hahazo famelan-tsazy I Marc Ravalomanana, mba tsy hahafahany mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena amin’ny taona 2018. Nanao tohivakana mihitsy ny fanaovana resabe tao anatin’ny fotoana vitsy, fa olona efa nohelohin’ny Fitsarana I Marc Ravalomanana, ary ambara fa mbola manana dosie maloto. Mety hamoronana dosie hafa mihitsy aza satria zavatra tsy mari-pototra sy tsy mitombina ny fanenjehana azy. Hiniana hikipiana ny sata maha efa filoham-panjakana  an’I Marc Ravalomanana, ka Fitsarana Tampony na ny HCJ (Haute Cour de Justice) ihany no afaka mitsara azy, ary ny lalàm-panorenana mihitsy no mamaritra izany. Lojika sy mazava ny maha olona madio azy, ary raha tena meloka araka ny resaka hiniana voizina I Marc Ravalomanana tsy hanana zo hiaina an-kahalalahana sy hitety an’I Madagasikara, fa efa nosamborina.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT