Politique

Marc Ravalomanana Afaka mody an-kalalahana


  • Alarobia 21 Desambra 2011

Tamin’ny fomba ofisialy no nilazan’ny minisitry ny fitaterana, Ramanantsoa Benjamina, eo anivon’ny governemanta Beriziky fa dia nofoanana ilay NOTAM tsy fanta-piaviana niteraka resabe.

 tsiahivina dia naoty natao ho an’ireo mpanamory fiaramanidina sy ireo kompaniam-pitaterana rehetra mampitandrina tsy hitondra an’i Marc Ravalomanana ho aty Madagasikara hanakanana ity farany tsy hody an-tanindrazana io NOTAM io. Tsy vao io no nanaovana NOTAM ny filoha fa efa naoty faharoa saingy izao nofoanana mangingina izao. Araka ny fanazavana dia ny tale kabinetran’ny prezidansan’ny FAT, Rija Rajonhson no nanao izany naoty izany izay tsy ao anatin’ny andraikiny velively fa anjaran’ny Tale jeneralin’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar). Nanazava moa ity farany ka nilaza ho tsy nahafantatra ny fisian’io NOTAM io na dia nibaribary tao anatin’ny tranokalan’ny ASECNA aza izany.

Araka izany dia karazana fisandoham-pahefana ihany no nataon’ity tale kabinetra satria tsy andraikiny velively izany famoahana NOTAM izany. Hatreto izany aloha dia tsy misy sakana intsony ny fodian’ny filoha Ravalomanana afa-tsy ny antsipiriany ara-teknika toy ny fiarovana ny ainy. Afaka mody malalaka eto an-tanindrazana ny tenany, efa voafaritry ny sori-dalana rahateo izany ary takian’ireo mpanara-dia azy ny fampiharana azy. Toa arirarin’ireo eo anivon’ny FAT moa anefa ny fampiharana ny andininy faha-20 amin’ny sori-dalana, fa hoe misy didim-pitsarana manasazy an’Atoa Marc Ravalomanana.

Eo ny mikasika ny “Force One II” fa indrindra ny “raharaha 7 febroary”, izay manasazy azy hanao asa an-terivozona mandra-pahafaty. Na ny minisitry ny fitsarana Razanamahasoa Christine, izay niketrika mafy io fanenjehana io, aza anefa dia miaiky fa afaka manao fanohanana, ka mampiakatra amin’ny ambaratongam-pitsarana ambony ny voampanga. Midika izany fa tsy mbola mikatona ny raharaham-pitsarana fa mitohy. Noho izany dia voafafan’ny andininy faha-16 amin’ny sori-dalana, izay milaza mazava fa foana avokoa ny fanenjehana ara-pitsarana mbola mandeha. Raha tsorina dia tsy manan-kery iny didim-pitsarana iny. Vokany, mihatra avy hatrany ny tapany voalohany amin’ny andininy faha-20 amin’ny sori-dalana mamela malalaka ireo sesitany politika, hody an-tanindrazana tsy misy fepetra, indrindra ny filoha Marc Ravalomanana. Momba ireo famoahana ireo gadra politika indray dia fantatra fa anisan’ny voadinika teo anivon’ny filankevitry ny governemanta ny famoahana azy ireo ary amin’ity anio ity dia mbola hisy fihaonana manokana eo amin’ny praiminisitra Beriziky sy ny praiminisitra lefitra Botozaza Pierrot ary Ingahy Hajo Andrianainarivelo.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT