Politique

Marc Ravalomanana, 62 taona Niantso fifamelan-keloka sy fifanoloran-tanana


  • Talata 13 Desambra 2011

Niavaka tsy toy ny isan’andro ny hetsika tetsy amin’ny Kianjan’ny Finoana omaly.

Raha isaka ny tolakandro no mifamotoana ireo mpiara-mitolona dia nanomboka maraina kosa izany omaly. Niara-nanamarika ny tsingerintaona faha-62-n’ny filoha Ravalomanana ireo mpiara-dia aminy. Nosantarina tamin’ny fotoam-bavaka izany, nitrotroana am-bavaka ny firenena sy ny filoha Ravalomanana sy ny ankohonany izay tsy mbola tafody an-tanindrazana fa sesitany any Afrika Atsimo. Nisy koa ny seho ara-javakanto niarahana tamin’ireo artista mpiara-dia amin’ny ankolafy Ravalomanana. Hipoka ny kianja. Saika hita teny avokoa ireo lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ity ankolafy ity izay notarihin’ny lehiben’ny delegasiona ankolafy Ravalomanana sady Sekretera jeneralin’ny antoko Tiako I Madagasikara, Mamy Rakotoarivelo sy ny mpitondra tenin’ny ankolafy Ravalomanana, Guy Rivo Randrianarisoa izay anisan’ireo sesitany saingy efa tafody an-tanindrazana.

Raha nandaha-teny fohy moa ity farany dia nanentana ireo mpiara-dia hifampatoky, hiray hina sy hiray fo hampahomby ny tolona. “Ny zava-dehibe indrindra dia ny fampodiana ny filoha Ravalomanana sy ny ankohonany”, hoy izy. “Betsaka ny mpampiady sy ny mpanasoketa fa ny zavatra ambara dia nahazo fankatoavana avy amin’ny filoha Ravalomanana avokoa izay natao rehetra”, hoy kosa i Mamy Rakotoarivelo raha nandaha-teny. “Raha miteny izy hoe tsy mety ny hidiranay ao dia miala avy hatrany izahay !”, hoy ihany ity mpitarika ny firehana Ravalomanana eto an-toerana ity. Nohamafisiny ny fampodiana ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana ary heverina fa mialoha ny faran’ity taona ity izany, hoy ihany izy. Nambarany ihany koa fa na minisitra na mpikambana ao amin’ny CT na ny CST avy amin’ny ankolafy Ravalomanana dia samy miady ny amin’ny fanatanterahana ny sori-dalana, indrindra ny andininy faha-16 sy 20. “Raha tsy hiady amin’izany dia aleo miala”, hoy ihany ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita.

Nanentana ireo vahoaka moa ny tenany mba hanohana ireo mpitarika satria nilokaloka izy ireo fa tsy hamadika ny tolona efa nimatimatesana hatramin’ny taona 2009. “Ny fodian’ny filoha Ravalomanana no zava-dehibe ka tsy hitsahatra ny tolona raha tsy tafaverina eto izy”, hoy ihany i Mamy Rakotoarivelo. Namarana ny lahateny nifandimbiasana moa ny tompom-pety dia i Marc Ravalomanana, niditra tamin’ny alalan’ny antso an-tariby avy any Afrika Atsimo. Tamin’izany no nisaorany ireo rehetra nirary soa ho azy. “Ny andro sisa iainana dia hanompoana ny firenena”, hoy Ravalomanana. Olon-kendry ny ankolafy Ravalomanana ka hitandro mandrakariva ny fihavanana Malagasy, hoy izy. Niantso ho amin’ny fifamelan-keloka sy ny fifanoloran-tanana koa ny tenany ary dia nanentana ireo mpiara-dia aminy hatoky hatrany. “Hitodika amin’ny fiaraha-miasa isika hampandrosoana ny firenena. Mino sy manantena aho fa hihaona soa aman-tsara isika”, hoy ihany ny filoha Ravalomanana. Naniry ny tenany mba nanapaka ilay mofomamy saingy manoloana ny zava-misy dia nitsodrano ireo mpiara-dia aminy izy nanatanteraka izany. Nahitana solontena teny amin’ny Magro avokoa moa na ny avy amin’ny CT na ny CST sy ireo avy amin’ny governemanta. Ny indro kelin’ny mpandrafitra dia somary tsy tomombana ny fanamafisam-peo.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT