“Raha te handroso isika dia tokony hanana solombavambahoaka matihanina. Tokony ho depiote manampahaizana sy nianatra”, hoy i Marc Ramiaranjatovo,
mpahay toekarena, raha nanontaniana ny heviny mahakasika ny fifidianana solombavambahoaka. Resaka lalàna no hodinihana ka mila olona manana mari-pahaizana ny depiote iray satria tsy vitan`ny tatitra. Ahoana no tena hamadihana izay zavatra hita eny ifotony any amin`ny faritra misy anao ? Izany no fanontaniana hapetraka amin’ireo depiote. Ny ankabeazany eto Madagasikara dia mihevitra fa izay hahatsara ny fiainany no ataony ka manitsaka andraikitry ny ben`ny tanàna, ohatra, ny lalàna… Tokony hiteny izy hoe handray andraikitra izahay hijery ny lalàna rehetra ahafahana manamboatra ny lalana aty amin`ny misy antsika. Anjaran`ny minisiteran`ny asa vaventy na ny kaominina ny fanamboarana izany. Raha manana fari-pahaizana “licence” ny solombavambahoaka dia mandeha tsara ny adihevitra. Nomarihany ihany koa ny resaka kolikoly maro samihafa. Nilaza izy fa tokony ho hita taratra fa mijoro amin`ny maha izy azy ny solombavambahoaka. Tsy tokony hisy ny depiote mandray kolikoly. Ho avy izao ny fanendrena praiminisitra dia ho hita indray fa betsaka ny depiote tsy miankina fa tsy ny antoko matanjaka no hanana ny maro an`isa ao amin`ny Antenimieram-pirenena. Ahoana indray no hisintonana ny tsy miankina amin`izay fanendrena minisitra ? Ny kolikoly tsy hita maso fa any ambadika any. Manao antso amin`ireo depiote tsy miankina ny tenany. Tsy miankina no nahafantaran`ny mpifidy anao, ka tokony hijanona ho tsy miankina mandritra ny fe-potoam-piasana. Notsiahiviny fa tsy miankina no nirotsahany ho ben`ny tanàna ao Alasora kanefa nanao izay vitany izy saingy tsy nisarangotra amin`ny antoko politika fa miasa ara-dalàna. Inona no tsy hanaovan`ny depiote an `izay ? Mila mijoro ny depiote amin`ny hevitra sy fomba fiaraha-miasa dia amin`izay na ny olona nifidy azy mahita fa depiote tsy miova hevitra.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.