Marc Ramiaranjatovo

> Tena ilaina ny fifidianana fa …


  • Alakamisy 12 Septambra 2013

Efa nanomboka tamin’ny taona 2010 no lazaina fa hanatontosa fifidianana isika eto Madagasikara. Efa madiva hifarana anefa ity ny taona 2013, mbola izay ihany no resaka voizina, hoy Marc Ramiaranjatovo, filohan’ny fikambanana Madagasikara Vaovao.

Raha tsiahivina ny tantara, nisy ny fanalana mpitondra voafidim-bahoaka tamin’ny taona 2009 dia ny filohan’ny Repoblika izany sy ireo solombavambahoaka sy loholona. Taorian’io no nitranga ny olana satria mila miverina amin’ny rafitra manara-dalàna ny firenena Malagasy ary mitaky izany ny sehatra iraisam-pirenena. Mahita ity Ben’ny tanànan’Alasora teo aloha ity fa miteraka adihevitra tsy ahitam-bahaolana hatramin’izao ny fisian’ny fifidianana filoham-pirenena ity. Aminy anefa dia tsy nijanona ela tao anatin’izao krizy lavareny izao isika raha notanterahana ireo fifidianana manakaiky ny vahoaka toy ny fandatsaham-bato eny anivon’ny Fokontany sy ny eny amin’ny Kaominina. Ankoatra izay, mbola mila jerena akaiky ihany koa ny mikasika ny lalàmpanorenana noterena holaniana tamin’ny taona 2010 nefa tsy hitondra velively fampandrosoana ho an’ny mpiray tanindrazana.

Raha tsorina ny resaka dia tokony handeha aloha ny famolavolana ny lalàna fototra mifehy ny firenena vao miroso amin’ny fanatanterahana ireo karazana fifidianana isika eto Madagasikara, hoy i Marc Ramiaranjatovo. Raha tsy izay no mitranga, izay filoham-pirenena manaraka eo dia hanova araka izay mahamety azy ny andininy ao anatin’io lalàmpanorenana sadasada io. Soso-keviny moa ny hoe tokony ho lalàna fototra tsy azo kitihana mandritra ny fotoana lavalava no mifehy antsika ary mila fandaniam-potoana ny fandrafetana azy satria maro dia maro ireo manam-pahaizana momba ny lalàna afaka mikaon-doha ka hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy indrindra indrindra. Amin’ny filohan’ny Madagasikara Vaovao dia tsy mahamaika ny firosoana amin’ny fifidianana noho ireo antony ireo. Raha momba ireo mpifaninana filoham-pirenena amin’ny fifidianana indray dia betsaka loatra izany 33 izany, araka ny fomba fijeriny nefa raha ny hevitra voizin’izy ireo dia tsy mifanalavitra mihitsy ka maninona moa raha mifanatona ireo kandidà mitovy fandaharan’asa, hoy ny tenany.

Mason-tsivana narosony ihany koa ny tokony hakana ny hevitry ny olom-pirenena ho an’ireo mikasa hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena amin’ny alalan’ny fanangonana sonian’izy ireo izay efa fomba fanao maneran-tany rahateo.  Torak’izany koa dia tokony hanana fototra politika ihany koa ireo mieritreritra  hitantana firenena izany. Momba ny toe-draharaha misy ankehitriny dia tsy mahagaga raha manao tery vay manta ny fianakaviambe iraisam-pirenena satria sady tsy manana foto-kevitra ijoroana ny mpanao politika Malagasy sy ny mpitondra fanjakana no tsy mijery ny tombontsoan’ny vahoaka izay soloan’izy ireo tena. Eo no tena zava-dehibe satria mila mpitantana firenena mahay miresaka sy mifandresy lahatra amin’ny any ivelany isika, hoy izy mba ho tombontsoan’ny Malagasy maro an’isa.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT