Politique

Marary mafy !


  • Talata 21 Febroary 2012

Mbola resabe hatramin’izao ny nanafaizan’ny Zambianina ny Malagasy nosolointenan’ny Japan’s Actuel tetsy Mahamasina, ny alahady lasa teo.

 Nisitri-belona ny ankamaroan’ireo mpankafy baolina kitra satria efa tena tsy rariny izany hoe resy 5 sy 1 aty amin’ny tanin’ny tena izany. Mila mandresy 5-0 izany isika raha hanao ny lalao miverina any Zambia vao afaka mieritreritra ny hiakatra amin’ny dingana manaraka. Tena marary mafy ny baolina kitra Malagasy, izay no azo hamintinana ny zava-misy ankehitriny. Resy lava, tsy mety lasa lavitra. Baolina an-tanimbary no tena talentan’ny Malagasy, fa raha vao mba miakatra kianja dia handihizan’ny olona. Vola ana miliara no nolaniana nanaovana kianja manara-penitra tany Mahajanga. Nirehareha ery ny federasionina raha nivahiny teto i Blatter filohan’ny FIFA.

Seho ivelany anefa no betsaka fa ny tena marina dia ambony ambany ny fitantanana ny baolina kitra eto. Fa rahoviana ary ny Barea, na izay anarana hafa mety omena azy indray atsy ho atsy no mba hiatrika CAN ? Sa tena aleo mampiantrano an’io fifaninanana io mihitsy i Madagasikara amin’izay mba tonga dia mandray anjara “d’office” ny ekipam-pirenena ? Tena mahagaga fa na ireo firenena Afrikanina sahirana sy miady lava aza tafakatra amin’ny sehatra avo, noho isika. Singanina amin’izany i Soudan, izay nandray anjara tamin’ny CAN farany teo. Dia averina eto indray ny zavatra efa nosoratana matetika teto, tsy olona no olana eto, fa ny rafitra sy ny fomba fifampitondrana mihitsy.

Maro ny Malagasy teknisianina sy manampahaizana. Misy ra Malagasy anie i Thierry Henri izay tena lasa lavitra ary kintan’ny baolina kitra Frantsay e ! Fa raha nijanona teto ve izy dia mety ho nahiratra sy nalaza ? Raha atao Brezilianina ve ny mpanazatra ny Barea dia azo antoka fa hivoatra ny fomba filalao ? Raha karamaina vola be isam-bolana ve ny mpilalao matihanina rehetra eto dia azo antoka fa handresy klioba Nizerianina, na Zambianina na Afrikanina Tatsimo 4 no ho 0 eo Mahamasina ny Malagasy ? Singa maro be mitambatra no mampamiratra ny ekipa iray fa tsy vitan’ny hoe be mpanohana sy mpankasitraka fotsiny izany dia ampiana kabary be. Tsy vao izao fa efa hatry ny ela no tsy matotra ny politikam-pirenena momba ny fanatanjahantena eto Madagasikara, anisan’izany ny baolina kitra, izay mila handraisana fepetra tena hentitra, satria manala baraka ny firenena fotsiny. Rehefa tsy mahavita dia tokony hanaja tena miala fa tsy mifikitra amin’ny seza. Mila sahy mijoro ny ao amin’ny federasiona fa tsy manilika ny rihitra an amin’ny hafa foana. Aleo hataon’ny hafa rehefa tsy vita intsony fa aza mijijy baolina ela loatra e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT