Ny firesahan-dRajoelina amin’ny Pr Zafy Albert no vahaolana famahana ity krizy eto amintsika ity, hoy ny CST Mara Niarisy filohan’ny antoko USDM (mpikambana ao amin’ny Escopole).
Ny zava-misy ankehitriny, hoy izy, dia misy fifanoheran-kevitra be eo amin-dry zareo SADC izay milza fa tsy miditra amin’ny raharahan-tokantranon’ny Malagasy fa manampy fotsiny ihany amin’ny fitadiavam-bahaolana amin’ny krizy nefa dia mametraka fepetra tsy azo hivalozana amin’ny tsy maintsy hiverenan-dRavalomanana tsy misy fepetra tamin’ny fivoriana tany Sandton. Tena mbola manan-danja be eo amin-dry zareo mihitsy Ravalomanana amin’ny ankapobeny. Izaho, hoy izy, dia sahy mitompo teny 100% fa tsy sitrapon’i Zafy Albert ny hifanaraka amin-dRavalomanana fa misy zavatra tsy mahafaly azy amin’i Andry Rajoelina no mahatonga izany. Tsy misy diplomaty miaraka aminy ao, izahay moa na CST manohana azy aza tsy henoina. Tsy sasatra izahay milaza, hoy ity CST ity, fa ‘ndao hiresaka fa rehefa isika eto Madagasikara no manana feo tokana dia manaraka ho azy ireo firenena avy any ivelany ireo sy ny fankatoavany.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.