Politique

Maputo Nitondra mersenera Rajoelina


  • Alakamisy 16 Aogositra 2012

Samy efa any Maputo renivohitr'i Mozambika mba hanatrika ny fivoriana ara-potoan'ny SADC ny filohan'ny tetezamita Andry Rajoelina sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

 Hanomboka anio maraina ao amin'ny Joaquim Chissano Convention Center ao Maputo moa ity fihaonana haharitra roa andro ity. Hivory ao ireo filoham-panjakana, ka tsy maintsy hisy ny fanapahan-kevitra momba an'i Madagasikara. Tompon'andraikitra voalohany amin'ny asa fanelanelanana eto Madagasikara mantsy ny SADC, ka izy no mamoaka izay fehin-kevitra handravonana ny fifandiran-kevitra eto, manaraka ho azy ny fianakaviambe iraisam-pirenena avy eo, ary manohana tsy misy fepetra izay fanapahan-kevitra raisin'ny SADC. Mazava be ny resaka eto fa mikatso ny famahana ny krizy satria tsy nahomby ilay dinika Rajoelina - Ravalomanana tany Seychelles, tsy maintsy hisy indray ny fihaonan'ireo vondrona politika eto Madagasikara mba handinihana ny dingana manaraka.

Azo eritreretina ihany koa ny hiverenan'ny fihaonan'ny ankolafy 4, izay fomba fiasa efa nataon'ny mpanelanelana ihany tamin'ny 2009. Ny andrasan'ny mpanara-baovao izao dia ny hoe : inona marina no hitranga atsy Maputo, mbola hampihaonina fanintelony indray ve ny filohan'ny tetezamita sy ny filoha teo aloha, sa tonga dia hamoaka fehin-kevitra ny SADC ? Raha toa ka mikatso ny raharaha, dia iza amin'izy mianaka ireo, no hosaziana ? Sa miaraka voasazy ? Misy antony mazava matoa samy voaasa hanatrika ny fivoriana Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Azo antoka anefa fa efa manana paikady hampifanarahana ny roa tonta ny SADC, saingy tsy azo adinoina fa misy elanelany ihany ny eritreritra sy ny fampiharana. Marihina fa dia jeneraly telo be izao no nentin-dRajoelina any Maputo, hampidirina lalina amin’ity resaka politika.

Ankoatra an’Atoa Ratsirahonana Norbert Lala sy Rtoa Annick Rajaona, efa mpiara-dia aminy tatsy Seychelles, dia nentiny any Maputo hampidirina lalina amin’ny resaka politika ny jeneraly isany Ranto Rabarisoa, filohan’ny Filankevitra miaramia momba ny fiarovam-pirenena na CMDN, Randrianazary, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ary Richard Ravalomanana, komandin’ny fari-piadidian’ny Zandary Faritany Antananarivo.

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT