Efa mahatsapa ny fahalemeny nandritra ireny fifidianana nifandimby teto amin’ny firenena ireny ny MAPAR sy ny TGV ka mitady izay fomba rehetra hanarenany izany
fahavoazany izany. Ireny efa niaraha-nahita ireny ny zava-nitranga teny Mahamasina farany teo fa dia nanao pi-maso tamin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana mihitsy ireo depiote MAPAR sy mpikambana ao amin’ny antoko TGV. Iza anefa no tsy mahalala fa ny fitondrana Tetezamita teo am-pelatanan’ireo mpanao politika avy amin’ny antoko TGV sy ny MAPAR amin’izao fotoana no nanameloka ny filoha teo aloha higadra mandra-pahafatiny noho ny raharaha 7 Febroary 2009. Fitsarana niteraka resabe teo anivon’izao tontolo izao satria nambara tamin’izany andro fa Fitsarana mitanila ary fitaovana politika teo am-pelatanan’ny TGV.
Ankehitriny, tapi-dalan-kaleha ny antoko TGV sy ny MAPAR ary efa noporofoin’ireo valim-pifidianana nifandimby teto amin’ny firenena izany. Tsy olana ho an’ireto ekipan’ny filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina ireto ny nanao pi-maso avy hatrany tany amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana rehefa tsy nahazo izay notadiavin’izy ireo tany amin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Azo antoka mihitsy anefa fa raha mbola ireto mpanao politika avy amin’ny antoko TGV sy ny MAPAR ireto no nibahana teo amin’ny fitondrana dia mbola nisy hatrany teratany Malagasy mialokaloka any ivelany noho ny raharaha politika, ka ny voalohany indrindra tamin’izany dia ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
Efa samy miomana hiatrika ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2018 avokoa mantsy ny hery politika eto amin’ny firenena. Toa efa tsy manam-pinoana ny amin’ny filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina intsony ve izany ny TGV sy ny MAPAR ka dia izao nanao pi-maso tamin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izao ? Ny antoko TGV teo amin’ny fitondrana Tetezamita indrindra anefa no nanenjika ireo filoha telo teo aloha, Marc Ravalomanana sy Zafy Albert ary Didier Ratsiraka tamin’ny hoe « alliance contre nature », nandritra ireny fanelanelanana nataon’ny SADC sy ny vondrona iraisam-pirenena ireny. Izy ireo indray anefa ankehitriny no manao pi-maso amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.