Politique

MAPAR Naloan’ny Vahoaka


  • Alarobia 07 Mey 2014

Nanandrana nitarika olona hidina an-dalambe ny MAPAR fa tsy tafavoaka.

 Natao avokoa izao fomba rehetra izao fa tsy rototra ny olona, leon’ny sineman’ireo mpitady tombontsoa sy tia tena. Najoro izany GMT (Gasy Miaina amin’ny Taniny) tarihin’i Riribe izany hoe hitarika olona hirohotra eny Tsimbazaza hanohitra ny fanonganana an’i Christine Razanamahasoa sy ny birao maharitra notarihiny fa tsy rototra ny olona, ankoatra ireo izay notambazana angaha. Roa andro nampaneno lakolosy eran’ny tanàna i Rossy fa dia notazanin’ny olona fotsiny, nataony tazan-davitra. Mbola narahin’ny sasany hafatra aza hoe : «mamangy amin’ny fahoriana e !».

Na ireo nifidy ny MAPAR teto Antananarivo Renivohitra aza tsy niraika

Tsy nijanona teo fa nandrangaranga taratasy fametraham-pialana tsy ho mpikambana ao amin’ny Antenimieram-pirenena i Rossy, sady nanganohano latsa-dranomaso raha ny fahitana azy nivazavaza teny an-tokotanin’ny Lapan’i Tsimbazaza omaly taorian’ny fotoam-panokafana ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimieram-pirenena, fa dia nojeren’ny olona fotsiny, ary mbola re teny antsefatsefany teny aza ny hoe : «mialà ho hita, hidiran’ny hafa e !». Na ireo nifidy azy tao amin’ny Boriborintany faha-4 Antananarivo Renivohitra aza tsy tazana, fa dia honjohonjony samirery no nandeha an-tongotra nivoaka ny Lapan’ny Antenimiera ary nizotra nanaraka ny lalana miakatra an’i Tsimbazaza mipaka any Mahamasina iny.

Leo ny Vahoaka ! Ny fahitana ny tranga omaly ity dia mampitamberina ao an-tsaina ny tenin’i Rossy teny Andranomena tamin’ny 2001 nilaza fa tapahiny ny rantsantanany raha i Marc Ravalomanana no voafidy eo. Tenin-dehilahy izany ary fahasahiana tsy nisy toy izany. Niakatra teo amin’ny fitondrana i Marc Ravalomanana ary nahazo ny fankatoavan’izao tontolo izao. Mba samy liana ny mpanara-baovao hoe nanakory tokoa ny niafaran’ilay fanambin’i Rossy, mpanakanto izy tamin’izay ? Voafidy ho solombavambahoaka tao amin’ny Boriborintany faha-4 Antananarivo izy ankehitriny ary milaza ny hametra-pialana. Dia samy miandry indray hoe hiroso sa hihemotra izy ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT