Politique

MAPAR II sy VPM Manohana an-dRajaonarimampianina


  • Alatsinainy 16 Janoary 2017

Tonga niarahaba an’i Hery Rajaonarimampianina teny Iavoloha ny Vondrona politika roa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena ny sabotsy lasa teo.

Ny maraina dia nirodorodo teny an-toerana ary noraisin’ny filoha ny vondrona politika MAPAR II (Miaraka amin’ny Prezida Andry Rajoelina II), tarihin’ny Minisitry ny Asam-panjakana sy ny lalàna sosialy, Maharante Jean de Dieu. Ny tolakandron’iny sabotsy iny ihany dia nanao ny azy ireo ihany koa ny avy amin’ny vondrona VPM (Vondrona Politika Miara-dia), izay notarihin’ny solombavambahoaka Andriantsezehena Benja Urbain. Nilaza i Hery Rajaonarimampianina fa ilaina hatrany ny fiaraha-mientana satria ny firaisankiana no hery. Mpanao politika sokajian’ny rehetra ho tompondakan’ny famadihana palitao ireto vondrona roa ireto. Raha tsiahivina tokoa dia avy amin’ny Antokon’i Andry Rajoelina ny MAPAR II, kanefa nodrokidrokian’ny HVM ka namadika ny vondrona nisy azy. Toy izany ihany ny koa ny VPM, izay niaraka tao amin’i Hajo Andrianainarivelo, ary lany tamin’ny alalan’ny antokony saingy namadika. Azo sokajiana ho mpamadika sy mpisandoka ny anaran’ny vondrona politika nisy azy teo aloha izy ireo, saingy tsy mba manana henatra kely akory mbola mitondra ny anaran’ny antoko satria toa jamban’ny vola atosaky ny fitondrana ankehitriny.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT