Politique

Mantasoa Manamboninahitra ambony mivorivory


  • Talata 23 Aogositra 2011

Manamboninahitra ambony maromaro no fantatra fa mivorivory any Mantasoa. Andro vitsivitsy lasa izay no nisy nahatsikaritra ireto andiana manamboninahitra ireto.

 Tsy mbola fantatra hatreto izay anton’ity fivoriana ity saingy araka ny tsiliantsofina dia mety ho fikaroham-bahaolana manoloana izao krizy izao no anton’ny resaka. Ny lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika, ny jeneraly ndriarijaona André moa efa nilaza fa misy ny fivoriana eo anivon’ny lehiben’ny miaramila ary hisy ny andraikitra am-pahamendrehana ho raisin’izy ireo. Misy idiran’izay resany izay ve ity fivoriana any Mantasoa ity ?

Toerana milamina rahateo any an-toerana ary azo hevrina fa mba tsy hisian’izay mety hahafantatra ny paikady raisin’ny miaramila no anton’ity fivoriana ity. Araka ny loharanom-baovao dia misy kolonely ary misy ny lietna kolonely amin’ireo mivory. Jeneraly be galona kosa no mitarika. Mpanao politika nitana andraikitra ambony teo aloha tamin’ny FAT kosa no voalaza fa nisy nahita ihany koa tany an-toerana.

 

Mohamed

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT