Toamasina indray no notsidihan’ny minisitry fampianarana Atoa Manoro Régis, ny fanohizany ny fitetezam-paritra ataony amin’ny fanazavana mivantana amin’ireo mpampianatra eo anivon’ny Sempama, mikasika ny olana misy sy ny antony fanapahan-kevitra noraisina hatramin’izay momba ny fangatahan’ny mpampianatra manerana ny nosy.
“Tsy hamono afo ny fitsidihako anareo eto, fa tonga kosa hifanakalo hevitra sy hiresaka ary hanazava ny tena zava-misy marina, ka anjaranareo no misafidy avy eo na hanohy ny fitokonana na hampianatra amin’izay ny taranaka Malagasy”. Izay no nambaran’Atoa Manoro Régis raha nitafa voalohany tamin’ireo mpampianatra eo anivon’ny Sempama sy mpampianatra Fram ny tenany, tao amin’ny CAPR ny DREN Atsinanana. Nomarihany hatrany fa “tsy izaho mihitsy no hanohitra ny ho tombontsoan’ny mpampianatra sy mpanabe Malagasy izany; ny nanaovako sy nanekeko ho minisitra dia tsy haka fahavalo mpampianatra velively, na hiady amin’ny mpanabe Malagasy. Mpanao politika ny tenako, ka noho izany ny fiarahana no fahombiazana ao anatin’izany, nefa ny valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza, ka ny nisy teo am-pelan-tanana no natolotra iny, ary mino izaho fa samy naharay ny azy anareo mpanabe eto anivon’ny faritra atsinanana”; fantatra ihany koa nandritra ity fihaonana ity, fa tsy nisy fiadidian’ny prezidansa nanampy ara-bola ny mpampianatra izany, fa ny vola enti-miasa ny minisitera ihany no nakana ilay Ar.25.000 tapitrisa nandoavana ny Ar.50.000 ny mpampianatra manerana ny nosy iny, izay ampahany tena kely ao anatin’ny fitakian’ny Sempama ihany no tratra aloha hatreto.
Nasian’ny minisitra Manoro Régis resaka ihany koa ny fomba fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakana ary ny fanajana ny isam-paritra ka nilazany fa mpampianatra “certifiés” miisa 100 no horaisina ato ho ato araka ny vola am-pelatanana, ka ireo eo anelanelan’ny taona 1997 sy 2006 no horaisina mialoha amin’izany; ho an’ny mpampianatra amin’ny CEG kosa dia 700 no heverina horaisina ka ireo efa nahavita mpampianatra Fram farafahakeliny nahavita herintaona noho raisina mialoha, na fantatra aza fa mahatratra 3.900 ireo mpampianatra nivoaka tamina sekoly mpanofana azy ireo hatreto nefa ny 1.800 ihany no mba voaray mpampianatra ara-panjakana hatramin’izay.
Ho an’ny mpampiantry ny EPP kosa dia hiisa 400 no ho raisina mpasam-panjakana ka ireo nahavita mpampianatra Fram am-polon-taonany no atao lohalaharana sy ireo efa ho feno 45 taona izay taona farany hahazoana miditra mpiasam-panjakana amin’ny mpampianatra. Nomarihan’Atoa Manoro Régis koa fa tsy ho ao anatin’ny hahazo izany ny faritra Sofia noho izy ireo efa nahazo tombon-dahany goavana tamin’ny naha-minisitra an’i Razafimanazato Julien. Hatsangana noho izany ny komity manokana hanara-maso ny mikasika ity fandraisana mpampianatra ara-panjakana ity; ho atao tsy ho ela ny atrik’asa nasionalin’ny mpanabe izay hialohavan’ny atrik’asam-paritra hijerena ny olana sy ny vahaolana ny resaka fampianarana sy ny tontolony. Nivantana sy nahitsy ny fifampiresahana teo amin’ireo mpampianatra sy ny minisitra na nitsabaka amin’ny tsy tokony hidirany ny CST Jean Félicien ka nihorakorahan’ny mpampianatra na tafaraka tamin’ny minisitra aza. Nitohy tao Mahavelona Foulpointe ny dinika nataony, ary mitohy anio any Fenerivo atsinanana, izay isany masika sy miandry ny minisitra ihany koa ireo mpampianatra Sempana any an-toerana.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.