Manoro Régis

> Manahy korontana haterak’io fifidianana io


  • Alatsinainy 09 Septambra 2013

“Hiteraka korontana vaovao ny fanaovana io fifidianana io”, hoy ny Sekretera jeneralin’ny antoko UNDD, Dr Manoro Régis raha nanontaniana ny heviny momba ny raharaham-pirenena.

Ny handaminana ny raharaham-pirenena amin’ny alalan’ny fifidianana lalàmpanorenana aloha no tokony hatao, vao miroso amin’ny fifidianana filoham-pirenena. “Tsy matahotra fifidianana izahay (ankolafy Zafy Albert)”, hoy izy fa tsy fifidianana kitoatoa no hanaovana azy. Nambaran’i Manoro Régis fa na misy aza kandida milatsaka hofidiana avy ao amin’ny ankolafy misy azy dia amin’ny anaran’ny tenany manokana no ilatsahany fa tsy afaka miteny amin’ny anaran’ny ankolafy Zafy Albert izy ireo. Nomarihin’ny Sekretera jeneralin’ny antoko UNDD fa raha tanteraka ny tondrozotra dia tsy ho toy izao i Madagasikara. Na izany aza moa dia tsy mbola mihevitra ny hiala ao anatin’ny governemanta izy ireo hatreto saingy miankina amin’ny fivoaran’ny raharaham-pirenena no mety hahatongavana amin’izany.

Caius Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT