18 desambra 2008-18 desambra 2019 ! Feno 11 taona katroka anio ny niantsoan’i Andry Rajoelina vahoaka hidina an-dalambe rehefa
nakatona ny onjam-peo Viva rehefa avy nandefa ilay horonan-tsarin’ny amiraly Didier Ratsiraka tena nihantsy ady ny fitondrana Ravalomanana tamin’izany fotoana. Nivadika ho fanonganam-panjakana avy eo. Ankehitriny, toa mitamberina amin-dRajoelina io, raha dinihina amin’ny endrika krizy samihafa. Raha filaminana no heverina fa hiseho ao anatin’izao ankatoky ny fety izao, dia io fa sesilany ny fidinana an-dalambe, toy ny zava-miseho eny amin’ny anjerimanontolo. Mafana ny fifandonana, raha ny zava-niseho tetsy Ankatso sy Ampohipo noho ny grevin’ny mpianatra noho tsy famahana olana sy ny fanesorana mpianatra amin’ny trano itoerany. Fifanenjehana sy fifandonana ary tonga hatramin’ny hazalambo ka 3 voasambotra omaly. Miatrana am-bava basy ny mpitandro filaminana ary efa miaramila misatro-mena no hita teny amin’ny manodidina ny ENS Ampefiloha omaly fa tsy zandary na polisy intsony. Toy ny any amin’ny tany miady i Madagasikara. Ny raharaha politika mbola mananontanona ary ahiana hafana tanteraka ny raharaha amin’ny taona vaovao io. Navela malalaka i Andry Rajoelina sy ny tariny ny taona 2009. Notokanany ho kianjan’ny demokrasia tetsy amin’ny Kianjan’Ambohijatovo saingy tsy nijanona tao izy fa nidina teny amin’ny Kianja 13 mey. Rehefa navela nalalaka teo, dia niitatra ny hevitra, ka i Andry Rajoelina no toa nanome tso-drano ny olony nandeha nandoro ny TVM sy ny RNM tetsy Anosy, niafara tamin’ny fandrobana sy ny fandorana tranombarotra maro, indrindra fa ny fananan’i Marc Ravalomanana toy ny MBS sy ny Tiko. Natao fitaovana tamin’ireny ny hoe tezitra ny vahoaka, fa ankehitriny izany tsy tezitra eo anatrehan’ny olana maro tsy mivaha : fampianarana, fandriampahalemana, jiro, rano, vidim-piainana,… tsy misy mivaha fa boriboriana amin’ny hoe aza manakorontana. Raha vao hisambotra ireo lohandohan’ny mpisorona amin’izao anefa ny fanjakana, dia vao mainka handrehitra sy hampitatra ny toe-draharaha. Endrika ratsy ho azy sy tsy fahazakana demokrasia ny fianteherana amin’ny herim-pamoretana toy ny natao tamin’ny tetezamita.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.