Higadona anio alina eto Madagasikara ny filoha Tiorka Recep Tayyip Erdoğan, izay hanao fitsidihana eto amintsika mandritry ny 2 andro.
Delegasionina miisa 150 no miara-dia aminy amin’izao fitsidihana izao, ka mpandraharaha ara-toekarena ny ankamaroan’izy ireo, raha ny vaovao azo. Raha eo amin’ny tontolo politika, dia somary ratsiratsy fifandraisana amin’ny Eoropeanina ny Tiorka amin’izao fotoana izao, indrindra fa taorian’ny fanonganam-panjakana tsy nahomby ny volana jolay 2016, ka nanagadran’i Erdogan olona an’arivony, izay nahitana manamboninahitra sy mpiasam-panjakana maro. Miezaka mametraka fifandraisana amin’ny tany Afrikanina ny filoha Tiorka amin’izao, ka masoivoho miisa 40 aty Afrika no voalaza fa hosokafana. Tsy atao mahagaga ny fitsidihany aty Afrika, anisany i Madagasikara, izay hireharehan’ny mpitondra ankehitriny fatratra ho vokatry ny fahaizana sy fandresen-dahatra manokana nataon’izy ireo. Tany hiadivan’ny firenena vahiny maro rahateo i Madagasikara noho ny otrikarena ananany, ka izy ireo no mitady lalana sy miezaka manatona ny mpitondra eto amin’ny firenena, izay jamban’ny tombontsoa manokana, ka manaiky hambakaina eto. Manaporofo izany ny fisisian’ny firenen-dehibe izay ahitana ny Sinoa, ny Frantsay, ary izao efa miady sisika izao ny arabo. Manoloana ny fahatongavan’i Erdogan eto Madagasikara, dia mihorohoro fatratra ireo Kolejy Tiorka 2 dia ny “College la Lumière” sy ny “Institut Ravinala”, izay voalaza fa manana fifandraisana amin’i Fethullah Güllen, izay tondroin’i Erdogan ho nikononkonona ny fanonaganam-panjakana, ka mety hakatony. Raha mikasika an’i Torkia manokana, dia miezaka mametraka sy mampibaribary ny tanjany ity firenena ity sy ny filohany ary tena atahoran’ny Eoropeanina amin’izao fotoana izao. Firenena faha-7 manan-karena indrindra any Eoropa izy ary faha-17 maneran-tany. Izy ihany koa no laharana faha-4 ao anatin’ny G20 na ireo firenena 20 matanjaka indrindra maneran-tany.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.