Nanomboka ny alakamisy 15 desambra teo dia nisy indray ny NOTAM navoakan’ny FAT hanakanana ny filoha Marc Ravalomanana sy ny fianakaviany tsy hody aty an-tanindrazana.
Na ny praiminisitra Omer Beriziky, na ny minisitry ny fitaterana, Ramanantsoa Benjamina, izay tompon’andraikitra voalohany dia samy tsy nisy nahafantatra ny fisian’ilay naoty. Avy any amin’ny fiadidian’ny FAT no nandefa azy, raha ny vaovao. Manoloana izany indrindra dia fanontaniana no napetraky ny filoha Marc Ravalomanana tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka raha niditra nivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby teny ny tenany. «Tena manana fahavononana handamina ny raharaha politika marina ve ireo olona sasany ireo ? Rehefa tsy manana izy ireo dia aleo miala !», hoy izy. Raha ny fanazavany dia tsy misy lalàna malagasy na koa vahiny, mandrara ny terataniny tsy hody an-tanindrazany.
Efa nanome fotoana lava isika, hoy izy ary efa tena sahirana tanteraka ny vahoaka Malagasy. «Vonona aho handray ny risika amin’ny fodiako aty Madagasikara. Ho avy aho fa tongava ianareo hitsena ahy !», hoy ny filoha Marc Ravalomanana. Olom-bitsy miaro ny tombontsoany manokana no manakana ahy tsy hody, hoy izy. Tonga ny fotoana tsy hihambahambana intsony satria tsy misy sakana intsony ny fampiharana ny sori-dalana amin’ny maha lalàna azy. «Tonga ny fotoana hanehoana fahavononana, tsy hain’izy ireo ny fandaminana am-pahamendrehana», hoy izy «ka dia ho avy izahay ary dia manantena aho», hoy ihany ny filoha.
Nohamafisiny hatrany fa tsy ho tonga hitondra korontana ny tenany fa fandaminana. Manoloana ny fahatongavan’ny solontenan’ny Troika eto an-toerana dia nambarany fa matoky ny SADC ny tenany saingy na inona na inona ho resahina dia ny Malagasy ihany no tompon’antoka voalohany amin’ny fandaminana ny raharahan-tokantranony. Tsy maintsy hampiharina tsy misy hatak’andro izay tapaka tany Sandton, hoy ihany i Marc Ravalomanana hisiana fifidianana malalaka sy azo antoka ary dia mila fahasahiana ny fandraisana fanapahan-kevitra.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.