Mody fanina indray ny minisitra Reboza Cyrille raha nanontanian’ny mpanao gazety nivantana tao amin’ny fandaharana iray manokana niakarany tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana RNM afak’omaly mikasika ny famoahana ireo haino aman-jery nakatona tamin’ny andron’ny tetezamita, hoy i Manoela Ralaimampisainarinony
Efa mety ho toromarika avy amin’ny ekipan’ny fitondram-panjakana manontolo mihitsy ny hoe aza mamaly ny fanontaniana mikasika izany fa dia tsy novalian’ity minisitra ity mihitsy ny fanontanian’ilay namana mpanao gazety fa zavatra hafa toy ny hoe : tsy hisy fanakatonana haino aman-jery izany hataon’ny fitondram-panjakana ankehitriny fa efa matihanina sy mahay ny asany ny mpanao gazety eto amintsika saingy handray fepetra kosa izahay raha sanatria misy fihoaram-pefy ataon’ny mpanao gazety. Fepetra inona indray ary izany ? Izaho, mbola haveriko, hoy ity mpitari-tolona mpiandany amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ity, dia tsy hitsahatra ny hidaroka am-pitenenana ny filoha Hery Rajaonarimampianina hatrany mba tsy hatoritoriana fa hieritreretany ny fampiharana ny voalazan’ny tondrozotra fa hoe mbola misy ny sesitany tsy tafody an-tanindrazana, tokony havoaka koa ireo gadra politika ary sokafana avokoa ireo haino aman-jery nakatona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.