Politique

Manoela Ralaimampisainarinony “Izay lalŕna hamahana ny krizy no arosoy !”


  • Talata 31 Janoary 2012

Hifarana amin’ity anio ity ny fivorian’ny Vondrona Afrikanina. Samy miandrandra izay mety ho valin’izany ny rehetra, indrindra momba izay mety ho vahaolana amin’ny krizin’i Madagasikara izay efa telo taona izao no niaretana azy.

Raha ny voalaza tetsy amin’ny Kianjan’ny Magro Behoririka omaly moa dia any Addis Abeba i Marc Ravalomanana. Momba ny fivoriana eny amin’ireo Parlemanta indray, araka ny fanazavana dia ny lalam-pifidianana no dinihina eny amin’izao fotoana izao. Ny zava-misy anefa, hoy i Manoela Ralaimampisainarinony dia tokony ho izay lalàna hamahana ny krizy eto amintsika aloha no atao laharam-pahamehana. Ohatra noraisiny ny momba ny aministia izay tokony handeha mialoha ity lalàm-pifidianana ity satria rehefa lany ny lalàna momba ny famafan-keloka dia mety hiteraka fiovana amin’ny lalam-pifidianana izany. Anisan’ny voalaza ao anatin’ity lalam-pifidianana ity, ohatra, ny momba ny biletà tokana.

Raha ny fahitan’i Manoela azy dia tsy mbola mety amin’ny Malagasy izany biletà tokana izany. Etazonia izay firenena efa tena mandroso sady olona nianatra ny ankamaroany kanefa mbola nanana olana tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, hoy ihany izy. Ankoatra izay dia notsikerain’ity mpikambana eo anivon’ny Kongresy ity ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra izay voafetra ho 30 andro. Tokony ho 45 ka hatramin’ny 60 andro izany, hoy izy, amin’izay samy hahita izay ho filohany ny Malagasy rehetra, eny hatramin’ireo any ambanivolo lavitra aza. Ho an’i Manoela ihany dia tsy tokony hirotsaka amin’ny fifidianana izay antoko politika tsy manam-bola.

Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT