Politique

Manjakatompo Nanaovana bemidina indray


  • Alarobia 15 Febroary 2012

Nisy nanao bemidina indray tao amin’ny tanànan’i Tojo Ravalomanana ao Manjakatompo-Andranomanelatra ny alatsinainy 13 febroary 2012 tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro.

 Tsy fantatra hoe iza ireto olona ireto raha ny tatitra nomen’ny tompon’andraikitry ny fiarovana ity trano fonenan’ny zanaky ny filoha Marc Ravalomanana ity na dia nilaza kosa aza fa lehiben’ny fampanoavana ao Antsirabe (hono) no nitarika ireo olona ireo. Raha ny angom-baovao azo dia voalaza fa hanao fitsirihina sy hanamarina ireo fahasimbana niseho nandritra ny fandalovan’ny DST ny alin’ny alatsinainy 06 febroary lasa teo izy ireo, kanefa mahalasa ny saina dia ny tsy fananany fahazoan-dalana hanao fitsirihina rehefa notakian’ireo mpiambina izany izy ireo. Niantso tompon’andraikitra sy ny lehibeny avy hatrany moa ireo mpiambina ka nahazo toromarika fa tsy misy olona mahazo miditra ao amin’ny tranon’i Tojo Ravalomanana raha tsy manana taratasy mazava ka niveri-maina ireo olona ireo.

Velon’ahiahy indray ireo mpiasa mpiambina ity trano ity nanomboka izao satria dia hita fa mitombina ny filazan’ny DST ny mbola hiverenany saingy toa amin’ny fomba hafa indray ny fisehony ary mampametra-panotaniana mihitsy ny hevitra ambadika fonosin’izao fihetsika izao. Raha ny tombantomban’ny maro dia efa mazava fa fanaovana antsojay ny fianakavian’ny filoha Ravalomanana izao fihetsika izao ary fandrangitana ny ankolafy Ravalomanana mba hitroatra ka hiditra amin’ny vela-pandriky ny FAT. Mbola tantara mitohy, araka izany, ity resaka Manjakatompo ity satria nilaza ireto andian’olona ireto fa haka taratasy dia hiverina indray amin’ny manaraka. Io alatsinainy io ihany, saingy taty an-drenivohitra dia nampiantso mpanao gazety nanazava ny zavatra nataon’izy ireo tany Manjakatompo ny Talen’ny DST, Nakany Charly. Ny mahagaga fotsiny dia hoe ny 06 febroary 2012 no nataon’izy ireo ny fisavana tamin-kery tany Manjakatompo, 13 febroary, izany hoe herinandro aty aoriana izy ireo vao mitondra fanazavana. Mampieritreritra !

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT