Efa mba nisinisy ihany izay fanehoan-kevitra politika izay hatramin’ny nijoroan’ny governemantan’ny firaisam-pirenena, araka ny fahitan’ny FAT azy ny 9 martsa 2011 saingy misy ireo antoko na mpanao politika toa nisafidy mihitsy ny hangina sy tsy hiloa-bava, noho ny antony maro samihafa angamba. Anisan’ireny ny AKFM Fanavaozana, tarihan’ny pastera Andriamanjato Richard izay diso fantatry ny Malagasy loatra amin’ity sehatra politika ity satria hita teny foana izy nandritra ireo Repoblika 3 nifandimby.
Izy moa dia ao anatin’ny Raiamandreny Mijoro, saingy tsy mba miteny firy tahaka ireo mpiara-miasa aminy sasany. Ity antoko ity moa dia tsy mba niady toerana teny amin’ny CT na ny CST ary tsy mbola nitafa tamin’ny mpanao gazety mihitsy nandritra izao krizy izao, ka nilaza ny heviny momba ny raharaham-pirenena. Mangina tanteraka toa an-drainy ihany koa ny minisitry ny fifandraisan-davitra sy ny paositra ary ny teknôlôjia vaovao ankehitriny dia i Ny Hasina Andriamanjato izany. Lohandohan’ny mpisorona niara-niasa sy nanohana akaiky an’i Andry Rajoelina, efa nisahana ny ministeran’ny raharaham-bahiny saingy nametra-pialana taorian’ilay fahafaham-baraka nahazo ny FAT tany New York tamin’ny septambra 2009.
Tafaverina ao anaty governemanta indray nanomboka tamin’ny martsa 2011 dia izao mangina tanteraka izao. Ny feo mandeha fosiny dia ny hoe : maromaro ihany ny zavatra tsy mampitovy hevitra an’ingahy Ny Hasina Andriamanjato amin’ny filohan’ny FAT sy ireo miara-miasa akaiky aminy saingy mangina aloha izy izao ary mety mbola miandry ny fotoana mahamety tsara ny hitenenany, araka ny fandinihan’ireo mpanara-baovao azy. Maro koa anefa no mahita fa hafetsena politika izao fahanginana izao ary fomba fiady mba hahafahana milomano rehefa avy eo satria tsy mbola fantatra mihitsy izay hitranga rahampitso, ka aleo aloha sady miara-miasa amin-dRabe no sady tsy manakiana na mitsikera an-dRakoto ihany !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.