Raha natory nanomboka ny taona 2002, mba tsy hilazana hoe efa saika niala aina mihitsy, ny fikambanana AMITO na “AMIcale des cadres de TOamasina”, dia nanomboka velona sy nahazo aina izany nanomboka ny sabotsy teo satria voafidy ny filoha vaovaon’ny fikambanana taorian’ny fivorian’ireo mpikambana tao amin’ny efitrano malalaky ny trano fandraisam-bahiny Miou-Miou Club. Voafidin’ny maro tao nanatin’izay Atoa Mangalaza Eugène Régis. Izy no handrafitra ny birao hiaraka hiasa aminy avy eo. Miseho sehatra indray izany ny praiminisitry ny marimaritra iraisan’ny tetezamita voalohany raha somary tsy tazana teo amin’ny sehatra politika teo ho eo izay. Nambaran’ireo mpikambana fa “haverina amin’ny tanjany tahaka ny nananganana azy ny taona 1992 ny AMITO, hohamafisina ny firaisankina sy ny fihavanana ary ny fifampiarovana eo amin’ny mpikambana na ireo ‘cadres’ tsy ao anatiny, fikatsahana ny tombontsoan’i Toamasina niavian’ny fikambanana sy ny firenena ary ny mpikambana tsirairay avy”. Filoham-boninahitr’ity fikambanana ity ny Praiminisitra lefitra misahana ny toekarena sy ny indostria, Atoa Botozaza Pierrot.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.