Nivoaka tamin’ny fahanginany ireo zanak’Ambatosoa, tamin’ny alalan’ny filohan’ny Tangalamena sy zokiolona ary mpiara-miasa amin’ny fitsarana ao Mananara Avaratra.
Raha ny harena mivoaka ao dia tokony handroso be ny tanàna, nefa tsy izay no misy. Nisy ny resaka nifanaovana tamin’Atoa Bonsantiry.
Tia Tanindrazana (TT) : Tangalamena no sady zokiolona ao Mananara Avaratra ianao, betsaka ny resaka mikasika ity Distrika ity tao anatin’izao tetezamita izao. Inona no zava-misy marina ?
Atoa Bonsantiry : Raha ny zava-misy ao Mananara avaratra dia tonga ny fiteny hoe “tian-jagnahary fa halam-panjakana”. Raha ny harena mivoaka sy misy mitrandraka ary hanaovan’olona trafika ao Mananara Avaratra dia tsy tokony izao zava-misy iainan’ny vahoakan’Ambatosoa izao mihitsy no mitranga. Tato anatin’ny 13 volana izao dia 02 andro ao anatin’ny herinandro izahay no mba misy herinaratra. Ny tena mahagaga anefa dia tsy mitsaha-miakatra vola fandoa isam-bolana amin’ny Jirama. Ny 28 janoary teo raha tafaresaka tamin’ny minisitry ny angovo ny fikambananay, dia nanome toky ny minisitra fa ho avy tsy ho ela ny motera hanoloana ilay simba ao Mananara Avaratra, nefa hatramin’izao tsy hita ihany izany.
TT : Mahabe resaka ity resaka “bois de rose” ity, inona marina ny zava-misy any ?
Atoa Bonsantiry : Maro ny trafika raha ny “bois de rose” ary tao nanatin’ny efa-taona izay no tena nirongatra sy gaboraraka ny mikasika ny fitrandrahana azy. Ny Biosphere mpiaro ny tontolo iainana izao efa kivy dia niala andraikitra mihitsy, ireo mpitandro ny filaminana kosa miasa jamba rafozana nefa efa mihatra aman’aina ny fifanandrenany amin’ireo “mafia” na “bois de rose”. Tao anatin’ny efa-taona dia botry, sambo kely, mahazaka entana 50 hatramin’ny 100 taonina miisa am-polony isam-bolana no mivoaka ny reniranon’i Managnara mitondra “bois de rose” aondrana anaty sambo eny afovoan-dranomasina tsy lavitra ny morontsirak’i Mananara. Raha izay “bois de rose” nivoaka tao aminay izay no nampiditra tamberimbidy ho an’ny Kaominina, dia angamba izahay no Distrika nandroso indrindra, nefa tsy misy izany ary voararan’ny fanjakana ny fakana azy. Ka mba takianay ny hampandrosoana ny tanananay.
TT: Manana andraikitra mampahafantatra ny vahoaka ny zava-misy ara-politika koa ianareo Tangalamena sy zokiolona amin’ny maha raiamandreny anareo, ny fahitanareo ny zava-misy izao ?
Atoa Bonsantiry : Tokony horavana io tetezamita misy io dia manangana tetezamita vaovao tsy miandany ary tena iaraha-mitantana marina, ka anjaran’ny mpanao politika no mihaona haingana ho fametrahana izany. Raha tohizana izao zava-misy izao dia mety tsy ho vita ny fifidianana izay hany lalan-tokana hivoahana amin’ny krizy, raha hatao amin’izao endriny izao ihany koa anefa dia mbola hiverina ihany ny krizy hafa noho ny olana hateraky ny fifidianana hitranga eo. Ho anay ao Mananara Avaratra kosa, raha nanohana olona hatrany izahay hatramin’izay, amin’ity fifidianana ho avy ity kosa dia hanohana ny anay izahay dia Atoa Mangalaza Eugène Régis, izay efa manomana ny filatsahany koa ankehitriny na tsy mbola nilaza izany mivantana aza.
TT : Hamaranantsika ny resaka, manao ahoana ny fiainana ankapoben’ny mponina ao Mananara Avaratra ao izao ?
Atoa Bonsantiry : Mijaly ! Izay no azo hamintinana azy. Marina fa be ny vokatra jirofo, vato “cristal” izay an-jatony taonina isam-bolana no mivoaka, ny bois de rose…saingy ny fiainan’ny mponina sy ny tanàna dia mihemotra isan’andro. Manararaotra ny haratsin’ny lalam-pirenena faha-5 ny mpivarotra dia mampiakatra ny vidin-javatra. 20.000 Ar izany ny gonin-tsaribao, 400Ar ny kapoakam-bary, 12.000 Ar ny hena iray kilao, 3.600 Ar ny litatry ny solika… Lavitra andriana izahay izay no azoko lazaina farany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.