Politique

Manenjana ny Mpitsara Tsy handray baiko intsony, hitory ny minisitry ny polisy


  • Talata 31 Janoary 2012

Hita ho tena vonona ny hijoro hatramin'ny farany ny mpitsara raha ny fanapahan-kevitra nivoaka tamin'ny fivoriambe omaly teny Anosy no jerena.

 Nambaran'ny filohan'ny Sendikan'ny mpitsara eto Madagasikara (SMM), Marius Auguste Arnaud ary fa tsy mbola voavaly ny fitakiana ka noho izany dia mitohy ny fitokonana tsy misy fiandrasan-draharaha, manerana an'i Madagasikara. Manomboka izao ihany koa dia nifanaiky ireo mpitsara fa tsy handray baiko na toromarika na hanaiky ny tsindry bokotra sy teny midina avy amin'ny mpitondra intsony tahaka ny nisy hatramin'izay, fa tena hijoro amin'ny maha mpitsara azy marina, tsy mahalala afa-tsy ny didy aman-dalàna. Hentitra ny tenin'ny filohan'ny SMM fa manomboka izao dia hovakiana bantsilana sy hampahafantarina ny besinimaro izay mpitondra ambony, na iza io na iza, ka mibaiko mpitsara na manao tsindry bokotra amin'ny famoahana didy sy fanaovana fanadihadiana.

Ampy izay, hoy ry zareo ao amin'ny SMM ka manomboka izao dia tsy hanaiky hatao fitaovana intsony ny fitsarana. Fa mikasika ilay raharaha famonoana mpitsara tany Toliara kosa dia nanamafy ny filohan'ny SMM fa tompon'andraikitra feno tamin'iny raharaha iny ny minisitry ny filaminana anatiny, satria tany Toliara izy tamin'io 9 desambra io, kanefa tsy nandray andraikitra ka noho izany dia hitory ity minisitra ity ny sendikan'ny mpitsara. Tsy maintsy ampiharina aminy ny lalàna velona sy manan-kery, tahaka ny natao tamin'ireo polisy hafa ihany koa. Novakiana bantsilana ihany koa, io omaly io ihany, fa nandamoka ny tetiky ny fitondram-panjakana handrava ny hetsiky ny mpitsara tamin'ny alalan'ny fizarana vola tao amin'ny fitsarana.

Tsy vola no tadiavinay, hoy i Marius Auguste Arnaud fa fampiharana ny fanjakana tan-dalàna sy ny fananan'ny fitsarana ny fahaleovantenany. Azo ambara fa hatramin'izay nisian'ny fivoriana sy fitakiana nataon'ny sendikan'ny mpitsara eto Madagasikara, dia iny fanambarana omaly iny no hita fa tena nafonja, ary raha mihatra tokoa, dia azo antoka fa hanova zavatra maro dia maro amin'ny fiainam-pirenena. Vonona hanao ny asany an-tsakany sy an-davany izany ireo mpitsara, ary tsy hanaiky ny teny midina intsony. Miandry koa anefa ny rehetra raha tena hijoro hiaro ny rariny sy hitsiny araka ny lalàna marina ny mpitsara ka mba tena ho fitsarana tsy mitanila marina no misy eto Madagasikara manomboka izao. Ekena fa mety misy ny baiko na teny midina avy any amin'ny mpitondra saingy tsy azo lavina fa misy ihany koa ny mpitsara mivelona amin'ny kolikoly mihitsy, ary tsy ny mpitsara irery no manao izany fa ireo izay miasa eo anivon'ny fitsarana, tsy izy rehetra kosa aloha fa ny sasantsasany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT