Politique

Manelingelina Ravalomanana Miala any ny tetika maloto hamelezana azy


  • Alatsinainy 12 Martsa 2018

Mivoaka ny tsiambaratelo ! Loharanom-baovao iray no nahalalana fa kotrehana ny famelezana am-pitaka an’i Marc Ravalomanana amin’ny alalan’ny fanetsehana ny raharaham-pitsarana mikasika ny 07 febroary 2009.

Andrasana kendritohana ny fotoana ny fampahafantarana mikasika ny didim-pitsarana efa nanamelohana azy higadra sy hiasa an-terivozona mandra-pahafaty ny 28 aogositra 2010 na ny « notification » avy amin’ny fitsarana. Tadiavina atao amin’ny fotoana tsy maha ao an-tokantranony azy mantsy no hanaterana izany, raha ny resaka mivoaka. Hatao tahaka izay ihany koa ny eny amin’ny fokontany, izay afaka mandray io “notification” io sy mampita izany amin’i Marc Ravalomanana. Ny zava-dehibe, dia ny hoe ambara fa efa nanaterana ilay taratasy ny filoha teo aloha, saingy tsy hita foana ary homarihin’ny vadintany ao anatin’ny fanamarihana ataony sy haveriny amin’ny fitsarana fa efa afa-nenina tamin’ny fampahafantarana izy. Azo eritreretina ny hanambazana volabe tsotr’izao izay vadintany hampiasaina amin’io teti-dratsy io mba hanao fanamarihana diso tsotr’izao. Tsy hisy ny fampiakarana ny raharaha amin’ny ambaratonga ambony kokoa satria am-pitaka sy tsy ho fantatry ny lasibatra akory raha tanteraka io hevi-dratsy io. Andrasana ny fahataperan’ny fe-potoana hahafahana mampiakatra ny raharaha izany, dia hambara fa meloka tanteraka i Marc Ravalomanana ary maloto ny dosieny satria tsy nisy ny fampiakarana nahafahana nandrava na nampiantona ny didy. Mety hobedaina sy hosamborina amin’izay izy avy eo rehefa tena manahirana amin’ny politika. Am-pitaka avokoa ny zava-drehetra, saingy efa miasa sy manaraka akaiky ny raharaha, ary miomana amin’io lalao maloto io ny mpisolovava an’i Marc Ravalomanana raha araka ny fantatra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT