Politique

Mandrosoa Ivato Feno miaramila vahiny mitoby


  • Alarobia 08 Febroary 2012

Omaly tamin’ny fiafaran’ny tolakandro no nahatongavan’izy ireo eto an-drenivohitra.

 Fiara mpanao jonobotry an’ny orinasa ADEMA ireny no nitondra azy ireo avy eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato nihazo ny hotely kintana telo iray eny Mandrosoa itobian’izy ireo. Maromaro an’isa ihany raha ny fanombanana azy, satria dia fiarabe iray mihitsy no nitondrana ny entan’izy ireo. Kisendrasendra ve ny nahatongavan’izy ireo ny andron’ny 7 febroary sa misy antony hafa. Omaly maraina mantsy dia efa niainga ny feo fa nisy fiaramanidina Transal an-dry zareo Frantsay koa tany Nosy Be tany. Andro vitsy lasa koa izay dia misy filazana fa hisy minisitra frantsay ho avy eto amin’ny 10 sy 11 febroary izao, izany hoe amin’ny faran’ity herinandro ity. Inona avokoa izany rehetra izany ?
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT