Politique

Mandritra ny fampielezan-kevitra Teboka maro no tsara ho fantatra…


  • Talata 09 Aprily 2019

Iray volana latsaka dia higadona ny andro hanaovana fampielezan-kevitra. Toy ny fampielezan-kevitra nisy hatrizay ihany no fampielezan-kevitra ho an`ny fifidianana solombavambahoaka. Tanjona hitaomana ny olona mba hifidy izay ho kandidà depiote, hoy i Thierry Rakotonarivo filoha lefitry ny CENI.

 

 Misy kosa ireo teboka vitsivitsy tsy maintsy hajaina sy arahina rehefa manao fampielezan-kevitra, hoy izy. Voalohany, ny fanajana fotoana hanaovana fampielezan-kevitra izay voalazan`ny lalàna fa manomboka ny alatsinainy 06 mey ka mifarana ny sabotsy 25 mey ary maharitra 20 andro. Faharoa, fanajana toerana, misy toerana raràn`ny lalàna tsy azo hanaovana fampielezan-kevitra toy ny tranom-panjakana rehetra, toby miaramila, toeram-piangonana na toeram-pivavahana rehetra tsy ankanavaka… Manaraka izany, fametrahana mialoha ny taratasy fangatahana hanao fampielezan-kevitra any amin`ny solontenam-panjakana. Raha ao anaty toerana mihidy no hanaovana fampielezan-kevitra dia tsy maintsy 48 ora mialoha ny fotoana no hametrahana ireo antontan-taratsy any amin`ny solontenam-panjakana toy ny prefe na lehiben`ny distrika. Raha toerana malalaka na ankalamanjana kosa dia dimy andro no tsy maintsy apetraka. Farany, tsy maintsy tandremana ireo fotokevi-dehibe amin`ny fampielezan-kevitra toy ny fandalana ny fihavanana: fialana amin`ny fihetsika na teny mety hampiteraka korontana, fialana amin`izay fihetsika mety hiteraka fanalam-baraka ho an`ny olona hafa na fidirana amin`ny fiainana manokan`ny olona hafa, fihetsika mety hiteraka fisaratsarahana na fanavakavahana na ara-poko na ara-pahaizana na ara-piaviana dia voarara avokoa izay rehetra izay… Natokana ho an`ny vahoaka any amin`ny distrika misy ilay kandidà ihany no ataony fa tsy ho an`ny vahoaka any amin`ny distrika hafa akory. Anjaran`ny mpifidy ireo fiarahamonim-pirenena, ireo mpiantsehatra amin`ny fifidianana no manara-maso ireo kandidà ho solombavambahoaka. Afaka mametraka fitoriana eny amin`ny fitsarana manakaiky azy na amin`ireo rantsamangaikan`ny CENI na ireo mpifidy tsotra na ireo kandidà hafa sy izay solontenany na ireo fiarahamonim-pirenena. Raha misy fandikana ireo fepetra ireo dia mety hitarika fanamelohana na eny anivon`ny fitsarana na ara-bola na an-tranomaizina... Mety hitarika fanafoanana vato izay azon`ilay kandidà ao anatin`ilay fari-piadidiana hitrangan`izay zavatra izay.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT