Politique

Mandra-panendry Governoran’ny faritra Napetraka ireo tompon’andraikitra hampiodin-draharaha


  • Talata 05 Martsa 2019

Nivoaka ny naoty manendry vonjimaika ireo tompon’andraikitra ambony hisahana ny fampiodinan-draharaha eny anivon’ny faritra, taorian’ny didim-panjakana 2019-155 nivoaka ny 20 febroary lasa teo nanafoanana ny fanendrena ireo lehiben’ny faritra; karazana ekipa manokana ny fahitana azy ireto.

 

 Miisa 22 izy ireo, izay misy ny sekretera jeneraly sy talen’ny fampiodinan-draharaha ankapobeny ireo notendrena ireo, izay olona tsy dia fantatra loatra amin’ny resaka politika fa mpiasam-panjakana ambony amin’ny ankapobeny. Miantsoroka ny fampadehan’asa sy raharaha samihafa izy ireo. Andrasana kosa ny mety ho tena fanapahan-kevitra politika amin’ny fametrahana izay ho Governoran’ny faritra satria maro amin’ireo mpanao politika nanohana ny Filoha ankehitriny tamin’ny fifidianana no mbola miandrandra ny hahazo izany toerana izany. Maro rahateo no mahatsiaro ho natao anjorom-bala sy tsy misitraka ny valim-babena mba mety nantenainy, toy ireo namadika palitao avy amin’ny antoko hafa, eny fa na ireo namana tao anatin’ny tetezamita aza misy tsy nahazo toerana ka miandrandra izany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT