Politique

Mandamina faramparany


  • Alarobia 16 Novambra 2011

Efa nampoizina ihany fa tsy ho mora ny fananganana ny governemanta, ary na ny praiminisitra Omer Beriziky aza dia efa nilaza, herinandro lasa izay, fa mety tsy ho vita mialoha ny 17 novambra ny asa.

Taorian’ilay tenin’ny filohan’ny FAT anefa dia nihazakazahana ny fananganana azy ity ary fantatra fa hohenjehina ihany ny datin’ny 17 novambra (rahampitso) araka ny voasoratra ao amin’ny sori-dalana. Ny tena mahasarotra ny raharaha dia toa tsy mifankahazo tsara ny tadin-dokanga eny Ambohitsorohitra sy Mahazoarivo eny. Manana ny eritreriny amin’ny fananganana ny governemanta tarihiny ny praiminisitra, saingy efa manana ny heviny ihany koa ny filohan’ny FAT. Araka ny tsiliantsofina re dia misy ireo mpanao politika tsy ankasitrahan’Atoa Andry Rajoelina mihitsy ny hidirany ao anatin’izany governemanta izany, indrindra fa ny sasantsasany amin’ireo kandidan’ny mpanohitra.

Olana iray goavana ihany koa ny fitsinjarana ireo ministeran’ny fiandrianam-pirenena, izay raha ny fanirian’ny ankolafy Rajoelina dia hobodoin’izy ireo avokoa, saingy tsy maintsy atao zara mitovy ilay izy. Tsy dia mitombina firy eto ilay fanambarana fa manana zo hanendry minisitra telo amin’ireo dimy momba ny fiandrianam-pirenena ny filohan’ny FAT, satria tsy filoha voafidim-bahoaka izy, ary anaty tetezamita isika izao, fitondrana tetezamita izay efa neken’ny rehetra fa iaraha-mitantana. Tsy tokony hisy mihitsy, araka izany, ny vondrona politika hahazo tombony. Ireo mpandinika ny raharaham-pirenena dia mahita fa vondrona telo lehibe no tokony hisokajiana ny ankolafy politika eto amintsika dia ny manohana sy manohitra an’i Andry Rajoelina, ary ireo firehana hafa avondrona ao anatin’ilay hoe : «Force Centriste».

Hanamora ny fizarana ny toerana io, fa tena ho sarotra ny raharaha raha hoe zaraina folo mitovy izany ny toerana ao anatin’ny governemanta. Noho ny fitiavan-tseza anefa dia misy amin’ireo mpanao politika hita izao fa niara-dia tamin’i Andry Rajoelina hatramin’izay ary nanohitra ny filoha teo aloha sahy milaza fa firehana hafa mihitsy, hono, no arahan-dry zareo, fa sady tsy mpanohitra no tsy mpomba ny filohan’ny FAT. Ka inona ihany izany no atao e ? Tsy tokony hahagaga raha miditra lalina amin’ny fisafidianana ireo minisitra indray Atoa Marius Fransman izay mitarika ny delegasionin’ny Troika-SADC tonga eto amintsika, satria raha ny Malagasy samy Malagasy no mifandamina dia na amin’ny jona 2012 aza tsy hitsangana io governemanta io, ary ny atahorana dia hisy vondrona politika vaovao hipoitra indray etsy sy eroa dia hitaky toerana. Dingana farany amin’ny fandaminana ny amin’ity anio ity ary ho hita eo ny tena marina rahampitso. Raha ny tsiliantsofina re dia 35 no mety ho isan’ny ministera ary hahatafiditra olona maromaro ao ny mpanohitra.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT