“Tsy mahagaga ny fikambanana Manda ho an’ny Firaisam-pirenena ny daroka baomba mandatsa-dranomaso nahazo ny vahoaka sy ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita teny Ambohijatovo ny sabotsy 28 aprily teo satria efa nokasaina novonoina tamin’io fomba io koa ny profesora Zafy tamin’ny 17 janoary 2012 raha nametraka fehezam-boninkazo hanamarihana ny faha telo taona nitokanan’i Andry Rajoelina an’Ambohijatovo ho Kianjan’ny demokrasia”, hoy Ravololomanana Lalatiana. Ny zava-doza fotsiny, hoy izy dia ireo mpiara-mitantana no mifamely. “Midika izany fa tsy misy fanjakana eto ary raha atao hoe misy aza dia fanjakana miady an-trano ka tsy maintsy rava”, araka ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Manda ho an’ny Firaisam-pirenena ihany.
Momba ny fahitana delegasiona SADC mirahalahy teny Ambohijatovo ny androtry ny sabotsy ihany taorian’ny sakoroka dia nilaza i Lalatiana Ravololomanana fa miditra loatra amin’ny raharaha an-tranon’ny Malagasy izy ireo. Ny fanelanelanana no andraikiny fa tsy mitsabaka”. Ho an’ity farany hatrany dia tokony ho ny fampiharana ny andininy faha-43 ao amin’ny tondrozotra izay milaza ny fanasaziana ireo mandika ny voalazany sy ny andininy faha-30 mametraka kosa fa mila ravaina avokoa ny zava-drehetra ka averina ny fifampidinihana no vahaolana.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.