Tongo-bakivaky sady maharary no mahamenatra iny zava-niseho teny amin’ny Lapan’ny fitsarana nataon’ny polisin’ny GIR iny, hoy ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena, Rakotondratsima Désiré, omaly tetsy amin’ny BC Anosy, satria tsy mbola nisy izany polisim-pirenena natao hampihatra ny lalàna amin’ny tany sy fanjakana izany nefa mampiasa ny hery hanoherana ny fanapahan-kevitry ny fitsarana tamin’ny didy navoakany.
Heverina fa mpikomy ireto namana ireto, hoy Rakotondratsima Désiré, ary mpiray tsikombakomba mivantana amin’ny fitsoahan’ireo voaheloka niisa 5 voarohirohy tamin’ny fahafatesan’ny mpandraharaha ara-toekarena avy any Tsaratanàna teny Ankasina. Nitondra basy niditra ny fitsarana rahateo izy ireo izay fihetsika tsy azo atao mihitsy izany. Ny Polisim-pirenena, hoy ity tompon’andraikitra ity, dia mandray andraikitra tsy miaro n’iza na iza ary misy ny didim-pitsarana tsy maintsy tanterahina dia hotanterahina izany, fa izahay tsy miaro ny ratsy rehefa manao heloka. Tany tan-dalàna isika ka rehefa isika ve no manao dia tsy hanaiky ? Tsy miaro olona ohatra izany izahay fa tsy maintsy tanterahina ny fanapahan-kevitry ny fitsarana, hoy ny Tale Jeneralin’ny polisim-pirenena.
Eo am-panaovana fanadihadiana amin’ny resaka fitsoahana isika izao, hoy izy, ka dia najanona amin’ny asany mihitsy aloha ny GIR hatramin’ny androany fa rehefa vita ity resaka ity dia miverina miasa izy ireo. Misy “spécialiste” hafa afaka misolo azy ireo. Marihina fa ao Tsaralalàna miaraka amin’ireo namany izy 5 lahy voampanga tamin’ny famonoana an’ilay mpandraharaha voalaza tetsy ambony ary mitohy ny fifampiresahana amin’izy ireo. Raha ny hoe mety hisian’ny akon’ity resaka ity tamin’ilay tranga nifanolanan’ny polisy sy ny mpitsara Rehavana Michel tany Toliara tamin’ny 9 desambra 2011 dia nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Polisy fa samy tompon’andraikitra eto amin’ny firenena ny rehetra ka heverina fa tsy hampifangaro zava-misy.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.