Politique

Manao propagandy Rajaonarimampianina Mbola be lavitra no ho vitako…


  • Alatsinainy 27 Novambra 2017

Sahy mifaninana isika ! izany ny fananamby iray apetratsika. Efa nanomboka isika, efa niasa isika fa mbola milaza aminareo kosa aho hoe tsy vita ny asa, hoy i Hery Rajaonarimampianina.

 Mbola be ny asa tokony hataontsika ary ny asa ataontsika dia asa maharitra ho an’ny firenena. Mila fotoana hitadiavana vola hanaovana an’izany ary mila fotoana isika. Miantso ny vahoaka hanome fotoana azy hanohy ny fampandrosoana sy hanatanteraka ny fanamby napetrany Rajaonarimampianina. Efa betsaka no vita fa raha mbola homena fotoana izy dia mbola lavitra noho izao no ho vita, hoy izy. Te hiteny ny filoha fa mila tohanana sy fidiana amin’ny taona ho avy. Tototry ny kiana sy fanenjehana noho ny tsy fahombiazany anefa ny fitondrana HVM, izay vao mody mikofokofoka mafy mba tsy ho very seza. Mila fitoniana isika. Tsy maintsy ao anatin’ny saina feno fahendrena no hanaovana ny fampandrosoana fa tsy saina bontolo, fifanenjehana, fitsikerana be fahatany. Na maina ny andro na avy ny orana, mahaiza manolo-tanana ny filoham-pirenenareo hampandroso ny firenena, hoy hatrany izy. Fotodrafitrasa miisa 4 no notokanany tany Mahajanga ny sabotsy 25 novambra teo. Voalohany ny paositry ny polisy izay narodana tanteraka ary nananganana vaovao, mitentim-bidy 500 tapitrisa ariary. Teo ihany koa ny ivontoerana   fikirakirana masom-boly voafantina, ny toeram-piompiana makamba vaventy haondrana any ivelany ary ny fitokanana lalankely 2 km mihazo ny oniversiten’Ambondrona, izay mitentina 3 miliara ariary. Mihazakazaka ny fakana fom-bahoaka sy fitokanan-javatra etsy sy eroa hireharehana fa mahavita zavatra ny filoha sy ny fanjakana HVM. Tsy misy maharatsy ny fahavitan-javatra. Ny tsikaritra anefa dia mandeha ny propagandy. Raha tena sahy sy milaza azy ho nahavita be teto amin’ny firenena sy mbola mamim-bahoaka ny HVM, dia sahy miara-mametraka fitsipi-dalao mazava sy tsy manao adin’ny kanosa amin’ny sakantsakana amin’ny fifidianana. Ny latsa-bato amin’ny fifidianana mangarahara no hifampitsarana. Hain’ny Malagasy ny mamerina azy amin’ny fomba mora eo amin’ny seza fikirina mafy, raha tena nanasoa fa tsy nambotry an’i Madagasikara tamin’ny afera maloto sy famarotana tanindrazana. Tena vonona sy sahy hitsapa hery amin’ny fifidianana madio tsy misy fanilihana ve ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT