Vahinintsika indray ao anatin’ity SOKELA ity ny Pr Manantsoa Victor, minisitry ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana (MRI). Ity ministera ity moa dia anisan’ny nanana andraikitra kehibe tamin’ny fandrafetana ilay volavolan-dalŕna momba ny fananganana ilay komitin’ny fampihavanana Malagasy na CFM. Ary na dia ny ministeran’ny fitsarana aza no tompon’andraikitra voalohany tamin’ny fandrafetana ilay volavolan-dalŕna momba ny famotsoran-keloka, dia nanana ny anjara toerany ihany koa tao anatin’izany ny MRI. Araho ary ny sokela nifanaovana taminy.
Tia Tanindrazana (TT) : Nisy tamin’ireo ankolafy politika nanao sonia ny tondrozotra no nilaza fa tsy ilay volavolan-dalàna nodinihana tany amin’ny governemanta no tonga teny amin’ny Parlemanta fa zavatra hafa mihitsy. Mitombina ve izany fanambarana izany ?
Pr Manantsoa Victor (MV) : Tonga dia mahitsy ny valin-teniko hoe : tsy marina izany ! Zavatra iray ihany ny nodinihana teo anivon’ny governemanta sy tany amin’ny Parlemanta. Araka ny eritreritro dia teo amin’ny resaka fandikan-teny angamba no nampifanolana kely sy niteraka adihevitra, dia ny mahakasika ilay hoe “amnistie large”, izay samy nanana ny fandikany azy moa ny mpanao politika sy ny vondrona politika tsirairay avy. Hentitra aho milaza fa tsy nisy novaina izany iny volavolan-dalana iny, fa ny nekena teo amin’ny filankevitry ny governemanta sy ny filankevitry ny minisitra no nalefa teny amin’ny Kongresin’ny tetezamita (CT) sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST).
TT : Niasa tsara araka ny tokony ho izy ihany ve ilay vaomiera manokana (comité ad’hoc) nivondronana ministera maromaro tamin’ny asa nataony sa sendra olana matetika noho ny firehana politika ?
MV : Tsara homarihana aloha fa tsy mandinika na miady hevitra ny amin’ny fototra iorenan’ny volavolan-dalàna iray izahay fa kosa mamaritra ny dingana tokony harahana. Nisy ny fitsinjarana ny asa ka nifanekena fa miandraikitra ny resaka famotsoran-keloka sy ny fananganana ilay fitsarana manokana momba ny fifidianana ny ministeran’ny fitsarana, nandinika ny amin’ny fananganana ny CENIT sy ny fandrafetana ny lalàna mifehy ny fifidianana ny ministeran’ny atitany, no sady nijery ihany koa ny momba ny sata manokana mifehy ny antoko mpanohitra. Izahay tato amin’ny MRI kosa dia nisahana ny momba ilay etika politika, ny fitsipi-pitondrantenan’ny mpanao politika, ny demokrasia ary ny fanjakana tan-dalàna. Nandeha araka ny tokony ho izy ny asa fa tsy dia nisy firy ny hoe olana goavana niseho.
TT : Ka nanao ahoana ary ny fomba fiasa tamin’izany ?
MV : Rehefa misy ny zavatra iray dinihana ka ilana fanapahan-kevitra tahaka ny hoe volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka na ny fananganana ny CENIT dia misy ny fanoratana ny votoatin-kevitra rehetra mifandraika amin’izany. Samy mahazo dika mitovy amin’io ny minisitra tsirairay avy ary anjarany indray avy eo no mampahafantatra izany any amin’ny ankolafy niaviany. Manana herinandro izy ireo hanaovana fanamarihana na fanakianana. Miverina eo anivon’ny governemanta indray ilay izy aorian’izay dia irosoana amin’izay ny fanapahan-kevitra. Misy ihany indraindray ny fimenomenomana sy fanakianana etsy sy eroa satria mety tsy nahavita ny asany, araka ny tokony ho izy angamba tamin’ny fampahafantarana ny zava-misy tany amin’ny ankolafy niaviany ny minisitra sasany.
TT : Aiza ho aiza ary izao ny momba ny fananganana ilay CFM na Komitin’ny fampihavanana Malagasy ? Inona avy ny dingana efa vita ?
MV : Efa tamin’ny 2 aprily 2012 lasa teo no vonona ny antontan-taratasy rehetra momba azy io, dia narahana ilay fomba fiasa nambarako tetsy ambony. Nisy ny soso-kevitra voaray tahaka ny avy any amin’ny ministeran’ny fitsarana sy ny fiadidiana ny praiminisitra. Niseho tamin’ny endrika vaovao indray izy io tamin’ny 12 aprily, ary araka ny fandaharam-potoana dia hodinihana ao amin’ny filankevitra ity volavolan-dalàna momba ny fananganana ny CFM ity, ny talata 24 aprily ho avy izao.
TT : Mivory any Pretoria Afrika Atsimo manomboka anio ny SADC. Tsy maintsy ho voaresaka ao i Madagasikara, maro koa ny mpanao politika miandry fatratra izay mety ho fanambarana hivoaka ao. Mety hisy fiovana na zava-baovao ve, aminao, ho ambaran’ny SADC ?
MV : Tena samy miandry an’io fivoriana io tokoa ny rehetra. Amiko dia midika izany fa miroso araka ny tokony ho izy ny asa amin’ny famahana ny krizy eto. Misy ny tomban’ezaka tsy maintsy hatao, tsy hitako anefa hoe fiovana tahaka ny ahoana indray no hivoaka avy amin’ity fivoriana ity, satria efa narahana an-tsakany sy an-davany ny zava-drehetra. Efa ela anie no vonona ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka sy ny fananganana ny CFM, saingy nanapa-kevitra isika hoe : aleo aloha andrasana izay hevitr’ireo manampahaizana avy amin’ny SADC, sao mba misy fanatsarana azo atao ihany amin’ny fanarahana ny fenitra iraisam-pirenena. Dia iny nivoaka iny moa ilay “Mémorandum”, izay tena nanova zavatra maro tokoa. Taorian’ny fandravonana ny hevitra avy amin’ny ministeran’ny fitsarana sy ny ankolafy Ravalomanana ary ny SADC, izay vao nalefa teny amin’ny Parlemanta ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka. Koa noho izany mino aho fa tsy hisy ambara betsaka intsony momba an’iny ny SADC.
TT : Ahoana ny hevitrao manokana tamin’ny fanesorana ny minisitry ny tontolo iainana ?
MV : Tsy dia manan-kambara firy amin’iny aho. Fampatsiahivana fotsiny ny ahy hoe : samy tompon’andraikitra ny vondrona politika tsirairay avy nanasonia ny tondrozotra. Tompon’andraikitra feno amin’ny fanajana ny tondrozotra ihany koa ireo vondrona politika ireo sy ny olony miditra any anatin’ny rafitra tetezamita.
TT : Farany Atoa minisitra, iaraha-mahalala moa fa avy amin’ny Hery Politika Mitambatra (HPM) ianao. Ahoana marina moa ny toerana misy anareo amin’izao toe-draharaha politika eto amin’ny firenena izao ?
MV : Tsy mbola niova izahay fa dia mijanona ho hery afovoany (centriste) ka miezaka hatrany mampifanatona ireo hery roa mpifanandrina, izay mbola voasaraky ny foto-kevitra tsy mitovy hatramin’izao.
Isaorana ny minisitra Manantsoa Victor, nanaiky nivahiny teto amin’ny Tia Tanindrazana ary tsy nihafahafa namaly ny fanontaniana rehetra.
Nangonin’i RTT
Sary : Pr Manantsoa Victor, minisitry ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.