Politique

Manantsoa Victor Mila drafitra fampiharana mazava ny tondrozotra !


  • Alatsinainy 20 Febroary 2012

Ny tsy fisian’ny drafitra mazava hampiharana azy no mahasarotra ny fanatanterahana ny tondrozotra, araka ny fahitan’i Manantsoa Victor azy.

 Izy moa dia minisitra misahana ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana. Tena ilaina ny fisian’io drafitra hampiharana io izay milaza mazava ny fomba fampiharana ny andininy voalohany ka hatramin’ny andininy faha-45 ao amin’ny tondrozota izy io mba hampazava tsara ny tsy maintsy atao, araka ny fahitan’ity minisitra ity azy, ihany. Efa nisy, hoy izy ny drafitra fampiharana nosoniavina tao amin’ny Hotely Colbert, saingy andininy vitsivitsy izay nahamaika ihany no natao tamin’izany. Ho an’i Manantsoa Victor moa dia ny FFKM miaraka amin’ny CNOSC sy ny Raiamandreny Mijoro ary ny FINONA no tokony hamolavola io drafitra fampiharana ny tondrozotra io, ary dia nanao antso avo ho azy ireo moa izy mba handray andraikitra, satria misy ny zavatra mety tsy ho vitan’ny vahiny mihitsy fa tsy maintsy ataon’ny samy Malagasy. Nohamafisin’ny profesora Manantsoa Victor anefa fa tsy afaka mitoka-monina izany mihitsy i Madagasikara fa tsy maintsy mifandray amin’izao tontolo izao ary manana rafitra mazava hanaovana izany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT