Politique

“Manangŕna antoko fa aza sandohana ny TIM”, hoy i Marc Ravalomanana


  • Talata 06 Septambra 2011

Tamin’ny teny tsotra nefa hentitra no nilazan’Atoa Marc Ravalomanana fa izy no filohan’ny antoko Tiako I Madagasikara hatramin’ny tsy naha filoham-pirenena azy intsony, ary anisan’ny nanangana ny antoko ihany koa.

 “Aoka izay ny fisandohana ny anaran’ny Tiako I Madagasikara, fa mbola velona avokoa ireo mpitantana ara-dalàna ny antoko, voafidy nandritra ny kongresy farany, ny taona 2008”, hoy izy tao Toamasina, raha niditra an-tariby nivantana nandritra ny hetsiky ny Rodobe. “Mila mitandrina ianareo mpitarika ara-dalàna ny Ankolafy Ravalomanana sy ny Tiako I Madagasikara fa betsaka ny mpisandoka sy mpisoloky anarana. Milaza ny handamina izy ireny nefa vao mainka mandrodana ny efa natsangana”, hoy hatrany izy. Mazava koa ny tenin’Atoa Marc Ravalomanana milaza fa tokana fa tsy misy izany elatra havia sy havanana izany ny Tiako I Madagasikara. “Omena tso-drano hanangana ny antoko hafa any izay niala sy te hisintaka”, hoy izy “fa aza sandohana ny anaran’ny Tiako I Madagasikara”. Na izany aza dia nanentana ireo mpiara-dia aminy Atoa Ravalomanana fa tsy natao hiadiana na tsy hihavanana aman’olona ny hevitra tsy mitovy, nefa “mahaiza manavaka ny tena izy sy ireo mpisandoka mety handratra”, hoy izy.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT