Politique

Manandafy Rakotonirina Tsy ny lakrimôzena no hampangina an’Antananarivo


  • Zoma 01 Jona 2012

Miandry izay ho fanapahan-kevitry ny SADC mivory tsy ara-potoana any Luanda Angola mikasika an’i Madagasikara ny rehetra, indrindra manoloana ny fikatsoan’ny fampiharana ny tondrozotra.

 Etsy amin’ny Magro Behoririka dia manao angaredona ireo Parlemantera avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, mitsikera ny fihetsik’ireo mpomba an-dRajoelina ka mampandringa ny fiaraha-mitantana ny tetezamita toy izany koa ny fihetsiky ny mpitandro ny filaminana amin’ny famoretana ny vahoaka manao fihetsiketsehana mitaky ny hisian’ny fahalalahana. Tsy ny lakrimôzena no hampangina an’Antananarivo, hoy i Manandafy Rakotonirina raha tonga tetsy amin’ny Magro Behoririka, omaly. Tsy maniry ratsy ho an’i Andry Rajoelina isika, hoy izy, fa raha izao no mitohy dia ny filankevi-pilaminan’ny Firenena Mikambana no hanapaka ny momba azy. Miandry ny fanapahan-kevitry ny SADC koa isika ka asakasany raha tsy mbola hanaraka izy, hoy hatrany ny filoha nasionalin’ny MFM. Ity farany izay nanamafy fa manomana ny fitsenana ny filoha Marc Ravalomanana ny Zanak’i Dada, ary efa fanombohan’ny propagandy ny azy io.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT