Ny sehatry ny fiharian-karena toy ny harena ankibon’ny tany sy ny angovo hamokarana herinaratra, ny fampianarana sy ny fahasalamana, ny politika no lohahevitra nifampizaran’ny antoko MFM (Mpitolona ho Fampandrosoana an’i Madagasikara na Mitolona ho an'ny Fanjakan'ny Madinika taloha), tamin’ny vahoakan’Antananarivo ny sabotsy 04 aogositra lasa teo, ao anatin’ny fanamarihana ny faha-40 taonan’ity antoko tarihin’i Manandafy Rakotonirina.
Manana otrikarena goavana i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny harena ankibon’ny tany saingy ratsy tantana ka mila arindra. Anisan’ny tokony hokitihina ny lalàna mifehy ny harena ankibon’ny tany eto amintsika. Araka ny fanazavan-dRaharison Andriamaherison, avy amin’ny Foibe MFM dia mampirisika ny resaka fikarohana fotsiny ihany ny lalàna. Ny momba ny famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny rano indray dia mijery lavitra ny politika hitantanana izany, hany ka lasa mividy lafo nefa mivarotra mora ny Jirama, hoy ihany ity manampahaizana ity. Raha ny lalàna amin’izao no hiatrehantsika ny tsena, hoy ihany Raharison Andriamaherison dia tsy handeha amin’ny laoniny ny zavatra rehetra ary dia hiteraka korontana izany. Raha ny fantatra tokoa mantsy dia hanomboka hamokatra ka hivarotra solika i Madagasikara amin’io taona 2013 ho avy io.
Ato anatin’ny 40 taona, ohatra, dia mety hamoaka solika hatrany amin’ny 150 000 barila isan’andro i Tsimiroro. Araka izany dia tokony hokitihina io lalàna io, hoy ihany izy ka tokony hifantoka betsaka amin’ny famokarana sy ny fampitoviana amin’ny fitsinjarana ireo vokatra. Eo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy fahasalamana indray dia tsotra ny fijerin’ny MFM. Raha olona tsy salama sy tsy nianatra dia sarotra ny hampandrosoana an’i Madagasikara. Noho izany, hoy i Roger Rakotomalala, MFM Antananarivo dia mila amboarina ny fitsinjarana ny tetibola eny amin’ireo ministera. Raha ny fahasalamana, ohatra, dia manodidina ny 7 ka hatramin’ny 8%-n’ny tetibolam-panjakana monja no natao ho an’ny fahasalamana. Manoloana izany, hoy izy dia mila jerena izany. Soso-kevitra moa ny azy ny amin’ny tokony hampihenana ny an’ny miaramila. Momba ny resaka politika indray dia nambaran’i Manandafy Rakotonirina fa tsy mitombina ny resaka miely ny hoe hametrahana fitondrana miaramila eto. Tsy hanaiky izany ny fianakaviambe iraisam-pirenena, hoy izy.
Ankoatra izay dia tsy maintsy kitihina koa ny lalàmpanorenana aorian’ny tetezamita fa tsy azo ekena hijanona amin’izao, raha ny fandinihiny ny zava-misy. Etsy andanin’izany dia rantsana velona eo anivon’ity antoko ity ny TMFM, izany hoe ny Tanora izay hanomana hetsika koa amin’izao tsingerintaona izao, hanomanana ireo solofo. Ato anatin’ny 40 taona ho avy kosa dia fanambin’ny vehivavy MFM ny haka fanjakana hametrahana ny MFM hitondra fanjakana, indrindra fa ireo vehivavy handray andraikitra ho amin’izany. Hampanjary ireo vina rehetra ireo no ilan’ny MFM olom-boafidy betsaka hitondrana fampandrosoana marina ho an’i Madagasikara. Ny 27 desambra ho avy izao no ho ivon’ny fanamarihana ny 40 taonan’ny MFM. Mbola maro ireo hetsika manerana ny Nosy hanamarihana ny tsingerin-taona.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.