Efa an-taonany maro no noresahina teto Madagasikara ny momba ny vondrombahoakam-paritra sy ny fizakantena ara-bola. Nambara ombieny ombieny rahateo fa ny rafitra fitsinjaram-pahefana no hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena Malagasy. Anisan’ny resy lahatra amin’izy io ny antoko MFM tarihin’ny filohany Manandafy Rakotonirina. Nisy ny resadresaka nifanaovan’ny Tia Tanindrazana taminy.
Tia Tanindrazana (TT) : Ahoana ny fisehon’ny fitantanana ny firenena teto Madagasikara ?
Manandafy Rakotonirina (MR) : Fomba fitantanana nolovaintsika tamin’ny mpanjanatany frantsay no nampiharina teto Madagasikara. Raha tsorina dia fomba fiasan’i Napoléon tany Frantsa no nitranga teto. Voakasik’izany ny lalàna, ny fitondrana tany sy ny fanjakana.
TT : Azonao hazavaina fohy ve ?
MR : I Napoléon dia miaramila frantsay nanongana ny revolisionera tao amin’ny Antenimiera. Nametraka fitondrana repoblikanina izy izay notantanin’ny miaramila. Io trangan-javatra io no nezahana napetraka teto amintsika. Tarazon’izy ity ny nampidirana ny resaka Foko teo amin’ny fitantanana ny firenena teto Madagasikara. Porofon’izany ny namoronana ireo Faritany enina dia ny Faritanin’Antananarivo afovoantany sy ireo Faritany 5 amorontsiraka manodidina azy. Nifaninana nitondra ny firenena noho izany ny Merina sy ny Tanindrana. Efa nanova io fomba fiasa io anefa ny firenena frantsay raha mbola sarotra ho an’ny Malagasy ny mamongotra ity fomba fisainana ity hatramin’ny taona 1972.
TT : Inona no nitranga tamin’ny taona 1972 ?
MR : Nanomboka tamin’io vanim-potoana io no nijerena manokana ny fanatsarana ny fitsinjaram-pahefana ary nampalaza ny rafitra «Fokonolona» novolavolain’ny kolonely Ratsimandrava. Nihamafy ny fanomezana fahefana ny Fokonolona rehefa nijoro ny Repoblika faharoa. Ohatra ny mbola nampisalasala ihany anefa ny fampiharana azy io ka nitsiry indray nandritra ny fe-potoana naharetan’ny Repoblika faharoa ny fitsinjaram-pahefana mifototra amin’ny «Faritra». Nisy rahateo ny adihevitra goavana mikasika azy io tao anatin’ny Filankevitra Ambonin’ny Revolisiona na ny CSR. Ny tenako mihitsy tamin’izay no nangataka tamin’ny PNUD hanao fanadihadiana ka taorian’izany no nivoahan’ny isan’ny Faritra ho 24.
TT : 22 ihany anefa no isan’ny Faritra ?
MR : Taorian’ny firodanan’ny Repoblika faharoa ary nitsanganan’ny Repoblika fahatelo dia niadiana hevitra teo anivon’ny Antenimieram-pirenena indray tamin’ny 1994 ny mikasika azy io. Tapaky ny solombavambahoakan’i Madagasikara tamin’io ny hitsinjarana ny firenena Malagasy ho Faritra miisa 28. Ireo olom-pirenena kosa izay nihevitra fa be loatra io tarehimarika io no nahatonga ny fanapahan-kevitra ho 22. Tsy hita taratra ao intsony, araka izany, ilay hoe Faritany 1 miady amin’ny Faritany 5 izay novolavolain’ny vahiny mpanjanaka azy. Tsy ho tanteraka mihitsy izany hoe fikambanan’ny Tanindrana hiady amin’ny Merina mitokana izany.
TT : Inona no tombony amin’ny fametrahana ny Faritra ?
MR : Tsara homarihina aloha fa samy sarotiny amin’ny fisian’ny Faritra ny olom-pirenena Malagasy. Mba hahatsotsotra ny fanazavana dia horaisiko ohatra ny fisian’ny FDL fanampiana ny Kaominina ankehitriny izay azo oharina ihany koa amin’ny fanampiana ny Fivondronana miisa 119 tamin’ny fotoana naha praiminisitra an’i Francisque Ravony sy ny minisitry ny vola José Raserijaona ka nanokanana ilay tetibola 60.400.000 Ariary isaky ny Fivondronana. Tamin’ny alalan’io tetibola io mantsy no nahavitana sekoly, lalana, hopitaly sy fotodrafitrasa maro teny anivon’ny fivondronana tamin’izany fotoana.
TT : Aiza ho aiza kosa ny fampiharana ilay tena fitsinjaram-pahefana ?
MR : Ireny hevitra marobe niforona tamin’ireny fotoana ireny no notohizan’ny Banky Iraisam-pirenena taty aoriana ary anisan’izany ity Tahiry Fampandrosoana Ifotony na FDL fanampiana ny Kaominina ity. Hitantsika fa efa manomboka eny anivon’ny Kaominina amin’izao fotoana izao ny adihevitra ary izaho manokana dia resy lahatra fa mitombina io fomba fijery io. Ny tsara hapetraka fotsiny dia tsy tokony hofoanana mihitsy ny Fokontany satria io no tena akaikin’ireo olona mbola mandeha an-tongotra sady fototry ny demokrasia tena Malagasy.
TT : Ary ny fizakantena ara-bola ?
MR : Tsy tokony hisy olana ny mikasika azy io. Tiako ampahatsiahivina eto ohatra tamin’izahay mpikambana tao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ary mbola minisitry ny Fitantanam-bola ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery. Narosonay ny soso-kevitra tamin’izay ny amin’ny tokony hitadiavana lalan-kafa ny famatsiam-bolan’ireo orinasam-panjakana toy ny AirMad sy ny Secren any amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny hetra aloan’ny Malagasy kosa no tokony hozaraina hampandrosoana isaky ny Faritra. Ankehitriny dia faly izahay satria tanterahan’ny fitondrana io toromarika avy aminay io.
TT : Tena hitondra any amin’ny fampandrosoana ve izy io ?
MR : Ny tsara ho fantatra dia adihevitra tsy misy farany io fitsinjaram-paritra io ary mety hiova foana izy io araka izay mpitondra rehetra mifandimby eo satria samy te-hampandroso sy te-hiaro ny tombontsoan’ny Faritra fiaviany. Ny fanomezana fahefana mifanaraka amin’izay fitsinjarana izay anefa no tena fampandrosoana eto Madagasikara.
TT : Teny famaranana avy aminao ?
MR : Tena betsaka ireo dingana vita teto an-drenivohitra. Ary efa tokony hiteraka fandrosoana any amin’ny Faritra ny fivelaran’ny taozava-baventy amin’ny alalan’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fizakantena ara-bola satria maro tsy tambo isaina ny harena an-kibon’ny tany sy an-dranomasina any amin’ny amorontsiraka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.