Politique

Manandafy Rakotonirina Telo taona no naha praiminisitra azy


  • Alatsinainy 16 Aprily 2012

Telo taona katroka anio 16 aprily 2012 ny nampahafantaran’ny filoha Marc Ravalomanana ho fanta-bahoaka fa nanendry an’i Manandafy Rakotonirina izy ho praiminisitra.

 Telo taona katroka anio 16 aprily 2012 ny nampahafantaran’ny filoha Marc Ravalomanana ho fanta-bahoaka fa nanendry an’i Manandafy Rakotonirina izy ho praiminisitra. Ny 10 aprily 2009, tany Tripoli – Libia no efa noraisina ny didim-panjakana manendry ity praiminisitra “ara-dalàna ary ankatoavin’ny iraisam-pirenena” ity fa tamin’io no nampahalalana izany ampahibemaso. Vahoaka an’aliny vory teo amin’ny kianjan’Ambohijatovo no nandre mivantana io fananendrena an’i Manandafy Rakotonirina ho praiminisitra io. Namaky ny didim-panjakana laharana 2009/24O tamin’ny 10 aprily 2009 fanendrena azy Rakotoarison Yves Aimé.

Teo Ambohijatovo i Manandafy tamin’io andro io, izay nilaza fa ny Lapan’Andafiavaratra no ho trano fiasany, ary governemanta misokatra no hatsangany eo. Hentitra ny teniny fa dia any aminy no miainga ny baiko, fa tsy fanjakan’ny Baroa eto. Sivily sy miaramila manao fanamiana maro no efa nanodidina azy tamin’io. I Manandafy Rakotonirina izany teto, no mandimby/manohy ny asan’ny jeneraly Rabemananjara Charles, ary tsy mbola nisy didim-panjakana ara-dalàna manafoana io fanendrena azy io. Nihazakazaka ny fandehan’ny raharaha nanomboka teo, satria nanana ny praiminisiny koa ny FAT, tamin’ny alalan’i Monja Roindefo, izay efa naseho teny an-kianjan’ny 13 mey ny sabotsy 07 febroary 2009 ary saika hapetraka tao Ambohitsorohitra.

Minisitra 7 no voatendry voalohany handrafitra ny governemanta Manandafy, ny 28 aprily, nahitana an-dRazakariasy Henri Bernard (fitantanam-bola sy tetibola), Rabenja Tsehenoarisoa (atitany), Andrianarivelo Désiré (fitsarana), Rasendratsirofo Elyett (raharaham-bahiny), Rakotovazaha Olivier (fanapariaham-pahefana sy ny fanajariana ny tany), Raoniarinjaka Voahangy (fambolena) ary Manandafy Rakotonirina (fiarovam-pirenena). Romotra ny FAT, ary nandeha ny hazalambo. Ny ampitson’ny nampahafantarany ireo mpikambana ao amin’ny governemantany dia nosamborin’ireo miaramilan-dRajoelina tamin-kerisetra tao amin’ny Carlton ny Praiminisitra Manandafy Rakotonirina ary notazonina nandritra efa-bolana tany Mantasoa… Dia izao mikatso izao ny toe-draharaha !

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT