Politique

Manandafy Rakotonirina Tapi-dalan-kaleha ny FAT


  • Alakamisy 15 Septambra 2011

Omaly maraina dia mbola nitohy ny fihaonan’ireo ankolafy politika tamin’ireo delegasiona avy amin’ny Troika. Noraisin’ity farany tsirairay ireo ankolafy ka ny maraina dia ny fiarahamonim-pirenena nahitana ny Cnosc, ny Raimandreny Mijoro sy ny hafa, ireo sokajiana fa hery afovoany toy ny antoko Maitso, ny PSRI ary ireo Ankolafy telo no nidinika tsirairay tamin’ireo delegasion’ny Troika. Hitohy amin’ity maraina ity moa ny fihaonana ka hifampidinika amin’ireo ankolafy politika eto amintsika ny minisitra avy amin’ny Troika. Manana ny fomba fijeriny amin’ny toe-draharaha ankehitriny ny filoha nasionalin’ny antoko Mfm, Manandafy Rakotonirina, izay ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana.

 Tia tanindrazana (TT) : Ahoana ny fipetraky ny toe-draharaha ankapobeny ?

Manandafy Rakotonirina (MR) : Taorian’ny dinika teny Vontovorona dia nipatitaka tanteraka ary dia ireny niafara tamina totohondry ampahibemaso nataon’ny mpanara-dia an’i Andry Rajoelina ireny. Tsy misy firaisankina sy fifandrindran-kevitra intsony ny manodidina an’i Andry Rajoelina. Ireny niaraha-nahita ireny fa dia mifanipaka izy ireo. Rava ilay hoe Andry mahazaka antoko politika maro, amin’izao aza lasa misy izany hoe Hery afovoany izany indray. Vaky tanteraka ny manodidina ny politikan’i Andry Rajoelina izay karazan’ny nanomezan’i Simao sy Chataigner rariny azy teo aloha.

 

TT : Aiza ho aiza izany izao ny dingana famahana ny krizy ?

MR : Raha ny zava-misy hatreto aloha dia nohamafisin’ireo delegasiona avy amin’ny Troika fa ny fehin-kevitra tapak’ireo filoham-panjakana tany Sandton no izy fa tsy izay nataon’i Simao na Salomao. Ao amin’ny andininy faha-20 amin’ilay fehin-kevitra dia mazava fa mitaky ny fiverenan’ireo sesitany politika rehetra an-tanindrazana, tsy misy fepetra, ao anatin’izany ny filoha Ravalomanana. Araka izany dia tapi-dalan-kaleha ny FAT sy ireo mpanara-dia azy. Andaniny, miara-mahita ny rehetra fa tsy hisy ny fankatoavana iraisam-pirenena raha tsy ao ny Ankolafy telo. Vokany, nisy ny fihaonan’ireo mpanao sonia ny Dina Repoblikanina tamin’ny Ankolafy telo in-droa niantoana ka nisy fanambarana nivoaka tamin’izany. Niraisan’ireo mpivory hevitra, ohatra, ny fodian’ny filoha Ravalomanana. Nisy anefa ny tsindry ara-bola sy toerana ka dia iny niala iny ny MDM tarihin’i Pierrot Rajaonarivelo. Ambaran’ireo mpanohana an’i Andry Rajoelina koa andaniny fa dia ny tondrozotran’i Simao ihany no hasiana rangopohy amin’ny zoma. Mifanohitra tanteraka amin’ny itondran’ny SADC sy ny Troika ny famahana ny krizy eto amintsika izany.

 

TT : Inona izany no mety ho tohin’ny raharaha ?

MR : Lojikan’ny zava-misy amin’izao fotoana izao ny fanonganana an’i Andry Rajoelina. Tsy nisy nahomby avokoa izay nataony rehetra nanomboka tany amin’ny hoe : Dinika Santatra, Fihaonambem-pirenena, fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana, tondrozotra. Raha ny fanazavana dia rava daholo ireny raha toa ka ekena ilay tondrozotra nasiam-panitsiana.

 

TT : Raha izay, inona no kisary mety hiseho ?

MR : Tsy tena fantatro izay ho fanapahan-kevitry ny SADC ankoatra ny filazany hoe ny fehin-kevitr’i Sandton ihany no izy. Soso-kevitro kosa ho an’ny tetezamita dia sarahina ny atao hoe “Etat” sy ny hoe ”Nation”. Ny “Nation” dia ahitana ireo filoham-pirenena lanim-bahoaka rehetra toa an-dRatsiraka, Zafy Albert, Ravalomanana ary Rajoelina izay nofidin’Antananarivo ho Ben’ny tanàna. Mety tamina fotoana samihafa no nahalany ireo olona ireo saingy voafidim-bahoaka izy ireo. Ny Praiminisitra, ireo parlemantera kosa no ao anatin’ny “Etat”. Avy ao amin’ireo parlemantera no hakana ny Praiminisitra izay hanendry ireo mpiasam-panjakana ambony rehetra. Ireo mpikambana ao amin’ny “Nation” no hiaraka hanendry ireo ho mpikambana eo anivon’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ary avy ao no hakana izay ho Praiminisitra. Tetezamita mizotra ho an’ny demokrasia io hatsangana io.

 

Nangonin’i Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT