Politique

Manandafy Rakotonirina Sedra hafa no miandry ny Malagasy


  • Alarobia 14 Mey 2014

Feno 42 taona omaly ny hetsiky ny mpianatra 13 mey 1972. Noporofoin’ireo mpanao fihetsiketsehana tamin’izany fotoana izany fa tsy manaiky herisetram-panjakana, ny fisamborana ary ny fandefasana olona sesitany tsy amin’ny antony sady tsy misy fitsarana izy ireo.

 Fitakiana nisy vokany avy hatrany satria nanova fomba fijery ihany koa teo amin’ny fifandraisan’i Madagasikara sy Lafrantsa, hoy i Manandafy Rakotonirina. Resy lahatra tamin’io rahateo ny governemanta Ramanantsoa izay nitaky sy nahatonga ny fifanaraham-piaraha-miasa vaovao niaraka tamin’ny fitondrana frantsay. Dingana voalohany tamin’io ny fialan’ity tafika vahiny ity teto Madagasikara. Nanaraka tao ny fialan’ny firenena Malagasy tamin’ny «zone franc». Ankehitriny dia sedra hafa indray no miandry ny vahoaka Malagasy amin’ny fametrahana lamina vaovao manoloana ny fiarovana ireo harem-pirenena izay mety hampiady antsika amin’ny vahiny. Miteraka fisokafan’ny adihevitra vaovao izy io ary mila mijoro ny taranaka faramandimby, hoy ity mpikambana tao amin’ny Filankevitra maharitry ny mpianatra tamin’ny taona 1972 ity.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT