Politique

Manandafy Rakotonirina Mandresy ny tolona


  • Alatsinainy 22 Jolay 2013

Nitondra fanazavana sy ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena nanoloana ireo vahoaka tonga maro tao amin’ny Magro Behoririka i Manandafy Rakotonirina ny sabotsy 20 jolay teo. Isika no nahavita propagandy efa-taona, tsy nokaramaina.

 Miaiky antsika izao tontolo izao ary tsy nisy naharesy antsika, hoy izy. Nezahin’ny sasany foana ny tsy hodin’i Marc Ravalomanana anefa dia tsy irery intsony isika fa misalahy koa izao ny FFKM ary raharahan’izao tontolo izao mihitsy ankehitriny ny mampody ny filoha Marc Ravalomanana. Nahitsy teny i Manandafy Rakotonirina nilaza fa dia “ho lany i Neny noho ny tolona nataontsika”. Isika tsy handray basy fa fifidianana no handroahantsika azy (Andry Rajoelina) ka ho tampina ny vavany, hoy ny mpitarika ny Mafana.

Tsy mamono vazaha isika, hoy ity farany, fa handresy fotsiny ka ianareo mandrahondrahona ireo, akaro any amin’ny Filankevi-pilaminan’ny Firenena Mikambana ny raharaha fa ho resy i Lafrantsa mampiasa ny GIC-M, Vondrona Afrikanina sy SADC io. I Etazonia, Sina ary Angletera no tompon’ny tany nefa momba antsika ireny, hoy hatrany i Manandafy Rakotonirina. Koa mandresy i Neny, mandresy ny tolona satria hody Ravalomanana, hoy izy tamin’ny teny feno fahatokiana.

RHR

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT