Nanao fampitahana ny fikarakarana fifidianana taloha sy ankehitriny ny filoha nasionalin’ny antoko MFM sady mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, Manandafy Rakotonirina. Notsiahiviny fa teo aloha dia ny HCC no mandray ny antotan-taratasy filatsahan-kofidina fa nosarahana taminy kosa izy ankehitriny ka nananganana ny CES. Ny manahirana amin’ity indray mitoraka ity, hoy i Manandafy dia ampidirana mpanao politika hiara-hiasa amin’ny mpitsara, izay tsy maro an’isa akory ao anatin’ity fitsarana manokana ity. Manahy i Manandafy Rakotonirina fa ho Mantasoa be dia be no hitranga eo, toy nitranga tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2001 nisian’ny HCC Mantasoa. Tsy handamina ny toe-draharaha izany, hoy izy. Mbola io CES vaovao io ihany koa anefa no hisafidy ny olona afaka mirotsaka hofidiana fa tsy ny vahoaka no hifidy malalaka, ka ho hitanay ny anaovana azy raha toa ka...
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.